Sport

Kitra-CAN 2019 Mahay ny Malagasy


  • Alatsinainy 10 Septambra 2018

Raha ara-taratasy dia resy tsy miady ny Barea. Laharana voalohany aty Afrika ny Senegaley ary nahavita dingana avo tamin’ny Mondial 2018 tany Rosia farany,

 

 

 

 faha-24 manerantany raha any amin’ny laharana faha-107 i Madagasikara. Ny baolina anefa boribory, ary aorian’ny 90 minitra mahita azy. Mahay ny Malagasy Tsy nahay naka lesona ny Senegaley. Voatazon’ny Barean’i Madagasikara ady sahala 2 no ho 2 toy ny tamin’ny 13 novambra 2015 indray ny Lion de Terenga Senegaley tetsy Mahamasina omaly alahady 09 septambra 2018 eo amin’ny fifanintsanana ao amin’ny Vondrona A, fahazoana miatrika CAN 2019 hotontosaina any Kameronina. Ry zareo Senegaley no nahafaty ny baolina voalohany tamin’ny alalan’i Conaté teo amin’ny minitra faha-27. Nosahalain’ny Malagasy 1-1 izany tamin’ny  baolina tafiditr’i Voavy Paulin (minitra fah-43). Nampian’ilay  Senegaley Cela Balbe isa 1 indray io teo amin’ny minitra faha-62 ka lasa 2-1 nefa dia nosahalain’ny Barea 2-2 tamin’ny baolina nodakan’i Carolus ary nampidirin’ny vodilaharana  Senegaley 1 tao anatin’ny haratony. Henjankenjana ny lalao tamin’ny ankapobeny ka nahazoan-dry zareo vahiny karatra mavo niisa 4 be izao raha karatra mavo 1 vokatry ny fanalan’i Carolus ny akanjo filalaovany tamin’ny fahafatesan’ny baolina faharoan’ny Barea. Nanjakan’ny ekipa Malagasy tamin’ny ankapobeny ny fifehezana ny lalao nefa dia hita taratra kosa ny maha-“Mondialiste” an-dry zareo Senegaley ka tsy azo hanaovana kitoatoa ny fanaraha-maso azy ireo. Mbola mitana ny laharana voalohany vonjimaika i Senegal ao amin’ity vondrona misy azy sy ny Barea ity manana isa 4 (+3), Faharoa kosa ny Barea isa 4 (+2), faha-3 i Guinée Equatoriale isa 3 ary faha-4 i Soudan isa 0. 

 

 

 

Hoy izy ireo

Doda Andriamiasasoa filohan’ny FMF :

“Ireny ny vokatra azo, faly ny mpijery baolin’i Mahamasina fa nahatohitra “Mondialiste” na dia nosembanin-drahoana kely aza noho ny fifanosehana teo am-pidirana ka nahafatesana tanora iray sy naharatrana olona hafa nihoatra ny 34. Mirary fiononana feno amin’ny fianakavian’ny maty aho ary mirary fahasitranana haingana ho an’ireo naratra”.

 

 

 

René Dupuis mpanazatra ny Barea :

« Nanao ny lalaonay izahay na dia nifanandrina tamin’ny sangany aty Afrika aza. Tratra ny tanjona ho anay dia ny hitazonana tsy handresy eto Madagasikara ny “mondialiste” sy ny hitazonana laharana ambonimbony amin’ity fifaninanana ity”.

 

Andriatsima Faneva Ima kapitenin’ny Barea :

“Tena nanao ny ainay tsy ho zavatra izahay ka iny ny vokatra azo. Hatolotray ho an’ny namoy ny ainy ho fitiavana hanohana ny Barea iny lalao iny ary mirary fiononana feno ho an’ny finakaviany. Mirary fahasitranana feno ho an’ireo naratra ihany koa”. Mangataka ny tohana avy amin’ireo malalatanana amin’ny fiatrehana ireo lalao manaraka hifanandrinana amin’i Guinée Equatoriale mandroso sy miverina amin’ny volana oktobra 2018”.

 

 

 

Evariste Ramanantsoavina

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT