Sport

Kitra – CAN 2017 Efa tonga avokoa ireo mpila ravinahitra valo


  • Alarobia 02 Septambra 2015

Mpilalao 23 no nantsoina handrafitra ny Barea hiatrika ny lalao faharoa tafiditra amin’ny fifanintsanan’ny fiadiana ny Amboaran’i Afrika hatao any Gabon.


Efa tonga eto an-tanindrazana avokoa ireo mpilalao mpila ravinahitra valo natsoina hanatevina ny ekipam-pirenena. Taorian’ny faharesena 2-1 nanoloana an’i RD Congo tamin’ny lalao voalohany ny volana jona teo dia ny alahady 6 septambra izao no hanaovana ny lalao faharoa etsy amin’ny kianjan’i Mahamasina. Tsiahivina fa ao amin’ny vondrona D no misy an’i Madagasikara tafaraka amin’i Angola, RD Congo ary i Centrafrique. Mpilalao 23 moa no nantsoina handrafitra ny Barea hiatrika io lalao io ka eny Alarobia no hanaovana ny fanazarantena satria mbola an-dalam-panamboarana i Mahamasina. Mpila ravinahitra avy any Frantsa, Belzika, Bolgaria, Alzeria ary la Reunion moa ireo nantsoina ireo. Ny sabotsy 29 aogositra no efa tonga i Baggio sy Johan Paul, tonga ny alahady 30 aogositra i Zotsara sy Anicet, ny alatsinainy 31 aogositra teo kosa no tonga i Mamy Gervais sy Gladyson ary tokony ho tonga halina ny roa ambiny dia i Voavy Paulin sy Carolus avy any Alzeria.

Cnaps sy mpila ravinahitra valo avy

Raha jerena ireo mpilalao nantsoina dia valo amin’ireo 15 eto an-tanàna no avy amin’ny Cnaps sport ary valo toy izay koa ireo mpila ravinahitra. Anisan’ireo mpilalao mila ravinahitra efa natsoina teo aloha ary izay vao afaka namaly ny antso i Anicet izay mivoatra any Bolgaria, “izaho tonga hanampy ny ekipa malagasy satria efa ela no tokony ho  nanao fa nisy olana foana, farany teo izaho naratra tamin’ny fotoana farany. Izao aho afaka ary vonona tsara hiatrika io lalao io, sady zava-dehibe amin’ny malagasy io… tonga aho hitondra “plus” ho an’ny firenena”.

Voatendry hitondra ny Barea miaraka amin-dRajaonarisamba Franck moa i Andrianjoelison Nirina (Raniry) izay hentitra tokoa amin’ny fomba handaharana ireo mpilalao heady. “Ny fantatro dia ny mamono baolina ihany… fa tsy manao “spectacle”. Tsy misy sentiment io… fa tonga dia miala na avy any Eoropa na avy aiza. “Droit au but ... droit au but »… tsy maintsy mamono baolina”.

Ny sabotsy izao vao hivoaka ny lisitr’ireo Barea 18 ka hotazonina na tsy maintsy hotazonina ve ireo mpila ravinahitra rehetra satria efa nandaniana vola ? Mikasika an’i Angola dia in-telo miantoana no ho fahatongavan’ny delegasioniny dia ny alakamisy 3 sy zoma 4 ary sabotsy 5 septambra ka ny sabotsy izy ireo no hitsapa kianja.

Rasanda Serge


Ireo Barea 23 :

Mpiandry harato :

1-Randrianasolo Jean Dieu Donne (Cnaps sport)

2-Ramaritany Damien (Tana FC)

3-Eddy Bastia (Elgeco Plus)

Vodilaharana :

4-Randrianarisoa Tahiana (Cnaps sport)

5-Fenolahy Zenith (Ajesaia)

6-Njakanirina Tobisoa (Cnaps sport)

7-Randrianirina Tantely (AS Adema)

8-Randrianomenjanahary Francois (Tana FC)

Irakiraka :

9-Razanakoto Dina (Tana FC)

10-Rabeson Michael (Cnaps sport)

11-Rabeasimbola Lanto (Cnaps sport)

Mpanafika :

12-Simmori Jimmy (Cnaps sport)

13-Vonimbola Jeannot (Cnaps sport)

14-Rakotoarimalala Njiva (Cnaps sport)

15-Andriamanjaka Rhino (AS Adema)

Mpila ravinahitra :

Vodilaharana :

16-Randrianarisoa Mamy Gervais (La Reunion)

Irakiraka :

17-Andrianantenaina Abel Anicet (Bolgaria)

18-Randriambololona Zotsara (Belzika)

19-Rakotonomenjanahary Baggio (Tailandy)

20-Johan Paul (Frantsa)

Mpanafika :

21-Henri Gladyson (La Reunion)

22-Voavy Paulin (Alzeria)

23-Andriamahitsiniro Carolus (Alzeria)

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

Hijery ny tohiny
FTT