Sport

Kitra - CAN-2012 Nankinina amin’ilay Frantsay Jean Paul Rabier ny Barea


  • Alakamisy 22 Aprily 2010


Nitsidika tamim-pomba fifanajana ny Praiminisitra Camille Vital, teny  amin’ny lapan’i Mahazoarivo omaly ny mpanazatra vaovaon’ny ekipam-pirenena Malagasy amin’ny taranja kitra na ny BAREA, i Jean Paul Rabier notronon’ny Minisitry ny fanatanjahantena Virapin Ramamonjisoa sy ny Filohan’ny Federasiona Malagasin’ny Baolina kitra, Ahmad. Ny Praiminisitra dia nirary fahombiazana ho azy amin’ny fanatanterahany ny asany miaraka amin’ireo teknisiana eto an-toerana ho fanatsarana bebe kokoa hatrany ny tontolon’ny fanatanjahantena Malagasy, indrindra ny baolina kitra. Naneho ny fahavononany hizara ny traikefany sy hampiakatra avo ny fahaiza-manaon’ny ekipam-pirenena Malagasy taranja baolina kitra i Jean Paul Rabier. Anisan’ny iraka ampanaovina azy rahateo ny hanomana ny ekipam-pirenena Malagasy hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakam-pirenen’i Afrika, afaka roa taona (CAN-2012). Andraikitra hiantsorohany koa ny fanofanana ny teknisianina Malagasy. Tsiahivina fa efa mpanazatra ny ekipam-pirenena Burkinabé i Jean Paul Rabier, ny taona 2002-2004.

Nangonin-dRabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT