Sport

Kitra – Barea vs Palancas Negras 130 tapitrisa Ariary no lanin’ny federasiona


  • Talata 08 Septambra 2015

Nanao tatitra tsotsotra tamin’ny fandaniana sy fidiram-bolany ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra taorian’ilay lalao nihaonan’ny Barea (Madagasikara) sy Palancas Negras (Angola) tetsy Mahamasina ny alahady teo. Araka ny tatitra dia nahatratra 130 tapitrisa Ariary ny fandaniana rehetra

 

. Tafiditra amin’izany ny sarandalan’ireo mpila ravinahitra valo avy any Frantsa, Belzika, Tailandy, Bolgaria, Alzeria ary La Réunion, ny an’ny kaomisera nanara-maso ny lalao sy ireo mpanazatra mozambikanina efa-dahy nitantana ny lalao ka nahatratra 60 tapitrisa Ariary ny fitambaran’ireo. Nisy ihany koa ny fanonerana ny saran-dalan’izy ireo izay nitentina 20 tapitrisa Ariary. 30 tapitrisa Ariary no lany tamin’ny fampiantranoana sy ny sakafo ary fitaterana ny ekipa angoley sy ireo mpitsara. Nitentina 10 tapitrisa ny lany tamin’ny fampivondronana ny Barea ary toy izay koa tamin’ny fandaniana ny fikarakarana ny lalao tetsy Mahamasina. Tetsy an-kilany araka ny tatitra hatrany dia 80 tapitrisa no vola niditra azo tamin’ny lalao teny Mahamasina. Na izany aza dia nisy koa ireo mpanohana sy mpiara-miasa toy ny Telma, Canal+ nanao ny fampitana mivantana ary ny Cnaps izay nanome ny fampiantranoana tetsy  67ha.

Rasanda Serge

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT