Sport

Kitra - Barea Akademia Voatazon’ny Renioney sahala hatrany


  • Talata 15 Martsa 2016

Tsy nahovoka firy ny Barea Akademia taorian’ny nanamontsanany ny ekipan’i Mayotte tamin’ny isa mavesatra 4-0. Lalao izay natao tany La Réunion, tao amin’ny kianja Klebert Picard Tampon ny faran’ny herinandro teo.

 

 Voatazon’ny reniôney mpampiantrano tamin’ny isa sahala hatrany mantsy ny ekipa Malagasy izay manomana ny CAN U17 hatao eto Madagasikara amin’ny taona 2017. Ny sabotsy ny Barea kely nirava sahala 1-1 raha nihaona tamin’ny ekipa reniôney fah-2. Marihina fa natao 30 minitra in-droa niditra ny faharetan’ny fihaonana noho ny lalao isan’andro nifanesy nataon’ireto Barea ireto. Mbola ny tompon-tanàna no nampiditra ny baolina voalohany taloha kelin’ny fialan-tsasatra. Nanasahala ny isa ho antsika malagasy i Kevin (35’) ary io no baolina fahefatra tafidiny nandritra ireo lalao rehetra natrehin’ny Barea Akademia tamin’izao fandrantoana lalao tany Maorisy sy la Réunion izao. Mbola nirava sahala tsy nitoko koa ny fihaonan’ny Barea sy ny ekipan’ny la Réunion voalohany ny alahady teo. Efa Tafaverina an-tanindrazana omaly moa ny delegasiona Malagasy.

Rasanda Serge

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT