Sport

Kitra - ASIEF Analamanga Fantatra avokoa ireo tompondaka


  • Sabotsy 01 Septambra 2018

Voahosotra ho tompondakan’ny baolina kitra ASIEF « Association Sportive Interministérielle pour l’Entretien des Fonctionnaires »

   Analamanga 2018 tamin’ny lalao famaranana notontosaina teny amin’ny kianja Akamasoa Andralanitra omaly ny MDN Sokajy Vétéran nandavo ny Prima 2-0, ny MEN  sokajy Mixte nandresy ny Senat 3-1, ny AN sokajy Elite nandavo ny DGCF  tamin’ny “Tirs au but” (5) 2 – 2 (4) ary ny DGB sokajy tanora nandresy ny Capsat 2-1. Efa tompondaka talohan’ireo ka notolorana amboara omaly koa ny M2PAT  sokajy Super Vétéran izay nandresy ny UA 5-4 tamin’ny « tirs au but ». Nafana dia nafana ny fanohanan’ireo mpiara-miasa aminy an’ireo ekipa tsirairay omaly teny Andralanitra ary tonga nanotrona an’ireo lalao hatramin’ny farany sy nanolotra an’ireo amboara niaraka tamin’ny filohan’ny ASIEF Foot-ball Analamanga, Rakotomalala Jean Paul, ny filoha nasionalin’ny ASIEF Andrianarison Jean Aimé Botosera  (John Love)   izay nanipika fa hatreto dia mbola miady irery tsy misy mpanohana na ny minisitera mpiahy aza ity hetsika Asief tarihany ity.

  

Ntsoavina Evariste

 

 

                   ² 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT