Sport

Kitra Asaramanitra TIM Ankazondandy Lasan’Anosy ny Amboaran’i Dada


  • Alarobia 05 Jolay 2017

Tanteraka ny sabotsy nialohan’ny fetim-pirenena Malagasy 2017 teo ny lalao baolina kitra fankalazana ny fetin’ny ray sy ny fetin’ny

fahaleovantena niaraka nokarakarain’ny KOMTIM Ankazondandy tarihin-dRtoa Raharinosy Zo ka nibatan’ny ekipan’ny fokontanin’Anosy ny amboaran’i dada Marc Ravalomanana izay natolotra tamin’izany rehefa nandavo ny ekipan’ny fokontanin’Antabetibe tamin’ny isa 2-0 ry zareo. Marihana fa ny fanatanjahantena toy izao miaraka amin’ny asa sosialy no fanehoana ny antom-pisian’ny antoko Tiako i Madagasikara any an-toerana hatramin’ny taona 2011, hoy ity filohan’ny reny diamondra ity. Ary ny fandalovan’ny filoha Marc Ravalomanana teny amin’ny Tsenan’Ankazondandy tamin’ny 27 oktobra 2016 no nanainga azy ireo hanohy indray ny lalana miaraka aminy ka nampijoroana ny KOMTIM vaovao any an-toerana. Hanomboka hidina ifotony hampahafantatra ny maha kandidà ho filoham-pirenena ny filoha Marc Ravalomanana amin’ny 2018 ity KOMTIM Ankazondandy vaovao ity, eo koa ny fanentanana ny olona hanatrika ny faha-15 taonan’ny antoko hatao eny Mahamasina ny 8 jolay izao ary tsy hohadinoin-dry zareo koa ny fanentanana ny fanoloana ny karatry ny mpikambana ao amin’ny antoko sy ny hetsika famaranana ny 1 volan’ny ankizy.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT