Sport

Kitra – As Zandrikely Lasan’ny Ezama sy ny CEG Ambohitrimanjaka


  • Talata 27 Aprily 2010

Tontosa ny sabotsy 24 aprily teo teny amin’ny kianjan’Anelotsara Ambohitrimanjaka ireo lalao famaranana miverina roa tamin’ny sokajy roa samihafa dia ny U10 sy ny U17 izay nokarakarain’ny toeram-piofanana baolina kitra As Zandrikely eny Ambohitrimanjaka.

Nivoaka nandresy teo amin’ny sokajy U10 ny ekipan’ny EZAMA avy eny Andrefanambohijanahary rehefa natambatra ny vokatry ny lalao famaranana mandroso sy miverina, tamin’ny isa 2-1 nanoloana ny Star Mada avy eny Itaosy. Efa nandresy 1-0 mantsy ny EZAMA tamin’ny lalao mandroso ary sahala 1-1 kosa tamin’ny famerenana ny sabotsy teo. Ny CEG Ambohitrimanjaka kosa no tompondaka tamin’ny sokajy U17 rehefa nandresy ny Star Mada avy eny Itaosy ihany. Sahala 0-0 ny vokatry ny famaranana mandroso ary nandresy 1-0 ny CEG mpampiantrano tamin’ny lalao miverina. Lalao nentina nanokafana ireo famaranana roa ireo kosa ny fihaonana izay nandavoan’ny Ezama ny RDM Fiakarana Ambohitrimanjaka tamin’ny isa 2-0. Rehefa nahavita ny an’ireo sokajy U10 sy U17 ny As Zandrikely dia hiroso amin’ny sokajy U20 sy Open indray amin’ny fialantsasatry ny mpianatra, hanomboka ny 7 jolay ny fifaninanana ary haharitra 18 andro tsy an-kiato.

HR

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT