Tsy mivaona amin'ny fotokeviny dia ny famolavolàna ny tanora ho olompirenena
vanona sy vonona akory ny fikarakaràna ny fifaninanana "Ma- Hery Futsal" 2025 ny 1 hatramin’ny 7 septambra izao, eto Antananarivo, fa tafiditra tsara amin'ny tanjona sy ny asa imasoan'izy ireo sy ny mpikarakara dia ny Fief Mada izany, hoy ny fanazavàna voaray tetsy amin’ny kianja mitafo Ankoay Ankorondrano omaly. Ireo tanora eny amin'ny fampianarana ambony na miankina na tsy miankina amin'ny Fanjakàna no entanina handray anjara amin'ity fifaninanana ity. Hisy lahy sy vavy izany saingy tsy natao ho an'ireo manana kara-pilalaovana kosa. Miara-miasa akaiky amin'ny Federasionina malagasin'ny baolina kitra ny mpikarakara ity lalao baolina kitra anaty trano ity mba tsy hisian'ny mersenera na mpikarama an’ady sy ireo mpilalao matihanina handray anjara amin'izao fifaninanana izay natokana manontolo ho an'ny mpianatra izao. Ho an'ny filohan'ny federasionin'ny Hip Hop, tomponandraikitra amin'ny fikambanana Fief Mada ihany koa, izay miandraikitra ny lafiny kolontsaina ao anatin'io fikambanana io, dia hifanindran-dalana amin'izao fifaninànana futsal izao ny fifaninànana dihy an-tanan-dehibe sy ny fifantenana izay tovovavy tsara tarehy sy tovolahy tsara tarehy. Efa misokatra ho an'ny rehetra te handray anjara ny fisoratana anarana amin'izao fifaninanana izao. Tsara ihany raha mba tsy hiandry ny fotoana farany vao hisoratra anarana mba hahafahana mandrindra mialoha ny fandaharan-dalao. Ho tolorana roa tapitrisa Ariary ny laharana voalohany eo amin'ny sokajy lehilahy ary iray tapitrisa Ariary ny laharana faharoa. Iray tapitrisa Ariary kosa ny loka hatolotra ny laharana voalohany eo amin'ny sokajy vehivavy. Samy hahazo loka avokoa ny telo voalohany eo amin'ireo sokajy lahy sy vavy ireo. Tsy hiala maina ihany koa ny mpandresy eo amin'ny sokajy dihy an-tanan-dehibe sy ireo voafantina ho tovolahy tsara tarehy sy tovovavy tsara tarehy, hoy hatrany ny fanazavàna, satria "Ny teny mahasarika fa ny atao mahatarika.".
Nangonin’i J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.