Sport

Kitra – Analamanga Niakatra lah-1 ny Tana FC


  • Talata 21 Aprily 2015

Na dia efa fotoana nisinisy aza no tsy nisy mpitantana ny Tana FC dia nahavita dingana tsara. Tafakatra lah-1 vonjimaika mantsy ity ekipa izay tarihin-dRaniry mpanazatra ity taorian’ny nandavoany an’ny Vesta tamin’ny isa 1-0 omaly tetsy

Mahamasina. Nidina ao amin’ny lah-2 kosa ny IFC izay nirava sahala 2-2 tamin’ny Cosfa. Tafajanona eo amin’ny lah-3 ny Elgeco Plus izay nampiondrika an’ny Cospn 1-0 omaly teny Carion, baolina tifi-davitr’i Bob kely taty amin’ny ilany an-kavian’ny kianja (81’). Lah-4 ny AS Adema izay nampiondrika an’ny STK tamin’ny isa 1-0, baolina maty tamin’ny alalan’ny penalty izay notsarain’i Rinho vao nanomboka ny lalao (1’). Mikasika ireo vokatra hafa, montsan’ny Mama FC tamin’ny isa 5-1 ny Hezami ary nisaraka salaha tsy nisy nitoko ny St Michel sy 4FA.

Rasanda Serge

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT