Sport

Kitra – Amboaran’ny Oseana Indiana Norombahan’ny Cnaps sport fanintelony


  • Alatsinainy 14 Desambra 2015

Tratra ny fanamby, fahombiazana tanteraka ho an’ny Cnaps sport Itasy ity taom-pilalaovana 2015 ity. Taorian’ny nahazoany ny anaramboninahitra tompondakan’ny ligin’Itasy sy ny pao-droa nisalorany ny anaramboninahitra tompondakan’i Madagasikara sy ny amboaran’i Madagasikara dia norombahan’ity

ekipan’Ampatsakana ity ihany koa ny anaramboninahitry ny oseana Indiana. Natao tany Mahajanga, tao amin’ny kianja sentetika Rabemananjara ny sabotsy tolakandro teo ny famaranana miverin’ny fiadiana ny amboaran’ny UFFOI. Taorian’ny ady sahala 1-1 tamin’ny lalao mandroso tany La Reunion dia nomontsanin’ny Cnaps sport tamin’ny isa mavesatra 5-2 tamin’io famaranana miverina io ny St Paul tompondakan’i la Reunion. Efa nitarika tamin’ny isa 2-1 ny malagasy hatreo am-pialan-tsasatra, ka nanokatra ny isan’ny Cnaps sport i Feno tamin’ny alalan’ny fitsarana “penalty” (22’) ary narahin’ny baolina matin’i Njiva (35’). Ilay mahorey milalao ao amin’ny St Paul, Rasolofo Antoine kosa no nahatafiditra ny baolina roa ho an’ny renioney (44’, 51’). Mbola nahatafiditra baolina roa fanampiny i Njiva tamin’ny fidirana fah-2, izany hoe nanao pao-telo izy tamin’ity lalao ity (58’, 85’). Ny baolina malagasy fah-5 moa dia tafiditr’i Lalaina (72’). Ity izany no anaramboninahitra fah-3 aty amin’ny oseana Indiana ho an’ny Cnaps sport taorian’ny tamin’ny 2013 sy 2014.

Rasanda Serge

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT