Sport

Kitra - Amboaran'ny Filoha Lasan'Antananarivo ny volabe !


  • Alatsinainy 21 Aogositra 2023

Sahirana ny ekipa voafantin'Antananarivo omaly tetsy Mahamasina vao naharesy an'i Toamasina nandritra ny fiadiana ny Amboaran'ny Filoha Andry Rajoelina.

Tany amin'ny minitra faha-86 ny baolina tokana matin'i Bertho tamin'ny penalty. Niady ny lalao na dia tsy dia avo lenta aza satria adin'ireo tsy voantso tany amin'ny Barea. Ary saika nandresy aza i Toamasina satria dia niantehitra tamin'ireo mpilalaon'ny Fanalamanga i Alison Jean mpanazatra. I Titi Rasoanaivo kosa no nitazona an'Analamanga ary tsy naka sarotra izy fa natambany ny CFFA sy Disciples dia nataony mpiandry tsatokazo i Manda mpilakaon'ny Ajesaia.Raha ivelan'ny fotoana hilalaovan'ny Barea angamba ity Amboaran'ny Filoha ity dia tena niady ohatry ny baolina toa an'i Mahajanga izay tsy nanan-kalahatra intsony. Volabe kosa anefa no nozaraina satria raha 20 tapitrisa no azon'ny Analamanga dia 10 tapitrisa ariary kosa ny any Toamasina. Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT