Saika tafita tsy nanano sarotra amin’ny 1/16-dalana avokoa ireo ekipa sokajiana ho goavana izay niatrika ny 1/32-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara ny faran’ny herinandro teo
. Lalao eftra no natao tetsy Mahamasina ny alahady teo. Tsy niady ny ankamaroan’ireo fihaonana. Ny Cosfa nandresy mazava an’ny SabNam (6-2), ny Elgeco Plus tompon’anaramboninahitra nanamontsana an’ny 4FA (6-0), ny AS Adema nanilika an’ny Boeny Formation (2-1) ary ny Tana FC nanamontsana an’ny FC FITAMA Analanjirofo (6-0). Ny teny Carion vao maika loza fa nomontsanin’ny Cnaps sport tamin’ny isa mavesatra 10-0 ny AC Ilampy Vakinankaratra ary ny Jet Mada Analamanga nanintsana an’ny Bemiray Atsinanana (2-0). Efa nivoaka sempotra kosa, efa tamin’ny “tirs au but” vao tafavoaka ny IFC tany Toamasina (1-1/3-1) nanoloana ny SOS Village d’Enfants. Ny Talenta Academie mpampiantrano kosa nanilika an’ny FC Dragon Analamanga (3-1). Tetsy ankilany notapahan’ny FCE Atsinanana ny lalan’ny ASSM (3-0). Isan’ireo klioba nahazo ny tapakilan’ny 1/16-dalana koa ny Ajesaia Bongolava tany Tsiroanomandidy izay nandavo tamin’ny isa 5-1 ny MTM Melaky tao an-tanany.
Rasanda Serge
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.