Sport

Kitra – Amboaran’i Madagasikara Ny faran’ny herinandro izao ireo lalao savaranonando


  • Alarobia 01 Jolay 2015

Raikitra ! Ekipa 113 no hiatrika ny lalao savaranonando amin’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara ho an’ity taom-pilalaovana 2015 ity

 

. Ny sabotsy 4 sy ny alahady 5 jolay izao no hanaovana ireo lalao ireo amina kianja 21 miparitaka manerana ny nosy  dia i Toamasina, Brickaville, Vatomandry, Mahanoro, Ambatondrazaka, Fenoarivo Atsinanana, Ambositra, Antsirabe, Fianarantsoa, Manakara, Ihosy, Toliara, Tsiroanomandidy, Antananarivo, Maevatanana, Mahajanga, Antsohihy, Ambanja, Antalaha, Maintirano, Vangaindrano). Ekipa 98 no hahazo tapakila hiady ny 1/32-dalana izay hatao ny 26 jolay izao. Misy ekipa hafa 15 kosa efa miandry fotsiny, dia ireo tsara toerana tamin’ny andiany tamin’ny taon-dasa. Ny 27 septambra no hanaovana ny 1/8-dalana, ny 18 oktobra ny ampahefa-dalana, ny 1 novambra ireo manasa-dalana ary ny 29 novambra ny lalao famaranana izay hamantarana ny klioba handimby an’ny Elgeco Plus tompon’ny anaramboninahitra farany.


Rasanda Serge

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT