Kitra_Amboaran'i Madagasikara

Nivoaka nandresy ny Elgeco Plus


  • Alatsinainy 29 Janoary 2024

Lasan'i Prezida ny Amboara. Izany no ambeti-tenin'ireo mpijery marobe nanatrika

ny lalao famaranan'ny Amboaran'i Madagasikara omaly tetsy amin'ny kianja Elgeco Plus. Ary dia tao an-tananany izany no nibata ny fandresena ny Elgeco raha nandresy ny CFFA tamn'ny isa 2 noho 1. Vao maraina be dia nanokatra ny isa i Dôddy tamin'ny alalan'ny penalty. Tsy penalty nomena anefa na izany aza fa tena nanao hadisoana ry zareo Andoharanofotsy. Ny marina dia tena voafehin'ny mpitsara Haja Fabrice ity lalao ity ka tsy nisy afaka nanao adala afatsy i Dino izay nanala ny akanjony taorianan'ny baolina nandrivorivo matiny (85). Talohan'izao anefa dia nosahalain'i Lalaina ny isa (25). Azon'ny Elgeco Plus izany ny Amboara 2023 izay tsy tokony mitondra mankaiza satria izay tompon'ny Amboara 2024 ihany no tokony hisolo-tena an'i Madagasikara. Tsy fantatra anefa izay hiseho na mety atao izay ahavita ny fiadiana ny Amboara toy ny tamin'ny taona lasa dia ny anaran'ny Elgeco Plus indray no voapetraka any amin''ny CAF. Izay tian'ny prezida ihany io. Raha izao anefa no fipetrany dia tena mbola ho sarotra indray satria tena ambany ny lentan'ny baolina kitra malagasy.Raha iny omaly iny dia tena mbola betsaka ny bzolina very.Ary ny baolina roa maty farany aza dia mbola niaro hadisoan'ireo vodilaharana andaniny sy ankilany.Ary na hofenoina mpilalao hafa aza dia tena mbola sarotra satria mbola tsy handeha amin'ny laoniny koa ny fiarahana. Tena mbola midy ezaka lalina vao afaka mieritreritra ahita klioba tafita any amin'ny Vondrona.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT