kitra- Amboaran'i Madagasikara

Nihintsana ny Fosa Juniors


  • Alatsinainy 22 Janoary 2024

Raraka ny Fosa Juniors teo amin'ny ampahaefa-dalan'ny fiadiana ny Amboaran'i Madagasikara baolina kitra.

Resin'ny CFFA teo amin'ny fitifirana penalty ry Dax sy ny namany. Nisaraka 0 noho 0 mantsy ny roa tonta taorinan'ny 120 minitra. Vao tsy nahafaty ny daka voalohany i Donga dia nivaralila ny iray trano ary dia nandresy 3 noho 1 Andoharanofotsy satria tsy nodakana intsony ny tifitra fanindiminy. Efa nampoizina kosa ireo lalao telo hafa. Tena nopotehan'ny AS Fanalamanga ny ASA Nosy Be. Vizana noho ny lalana satria ny talata vao vita ny antsapaka ary ny sabotsy no fihaonana amin'ny Moramanga. Raha niala tany Nosy Be ny alarobia izany dia alakamisy vao tonga taty Antananarivo. Mbola tsy afa-bela amin'ny Disciples kosa ny Ajesaia fa resiny 1 noho 0. Baolina matin'i Mando (33).Tena tsara ny Disciples ary efa manana ireo mpiandry toerana azo ampiadiana tsara.Tena ampiasain'i Mamisoa Razafindrakoto ihany koa ny manolo ny mpilalao dimy hany ka sahirana ny rehetra .Ankoatra an'i Tantely kapiteny sy Andy izay samy Barea, dia i Mbola mpiandry tsatokazo sy Kante ary Mando ary Joma Kely no tsy misolo fa mihodina ny rehetra ka sarotra ho an'ny mpifanandrina aminy no mametraka paikady. Ny lalao farany dia nahitana ny fandresen'ny Elgeco Plus ny Mama tamin'ny isa tokana matin'i Jean Yves ilay Fosa taloha nefa mbola tsy fantatra raha ho voatazon'ny Elgeco Plus na handeha ho any La Réunion toa an'i Tsiry koa. Raha ny fandaharam-potoana moa dia ny Fanalamanga no hihaona amin'ny CFFA ary ny Elgeco Plus kosa hifandona amin'ny Disciples FC.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT