Kitra_Amboaran'i Madagasikara

Manao be fandroaka ny CFFA


  • Alarobia 24 Janoary 2024

Mafy ny ady ho an'Andoharanofotsy taorianan'ny faharesena nandritry ny

Grand Tournoi Analamanga nanoloana ny US Pro. May volo-tratra i Titi Rasoanaivo ka dia nisafidy ny haka mpilalao maromaro. Voalohany amin'izany ireo roalahy avy amin'ny Ajesaia dia Ravaka sy Urgino. Mbola nalainy koa i Lalane USCAFOOT sy Mbola Dato FC ary Éliot izay mpilalaon'ny Zanakala no nifindra tao amin'ny Elgeco dia izao lasan'i Tôta izao. Ho hita eo no hataon'ireto CFFA ireto rahampitso mandritra ny lalao manasa-dalana voalohany hihaonany amin'ny AS Fanalamanga manomboka amin'ny 11 ora. Mbola tsy maintsy hanamboatra ny fahaizana miaraka i Titi Rasoanaivo ary tsy maintsy mameno ny banga any aloha nilaozan'i Tsito any Saint Denis sy Carlos lasan'ny Fosa Juniors. Ny lalao faharoa no ahitana ny fihaonana eo amin'ny Elgeco Plus sy ny Disciples FC. Raha naka an'i Jean Yves tany amin'ny Fosa Juniors ny olon'i Alfred Randriamanampisoa dia mba naka an'i Rado tany koa ny Disciples hanampy ny fiarovan-tenany. Manana tombony anefa ny avy any Betafo satria efa niaraka taminy elaela ireo mpilalao vaovao toa an'i Ludovic sy Nantenaina Messi izay efa tena mafana fantsy azo ampiadiana tsara. Tsy hipetra-potsiny koa anefa i Jean Yves fa tsy maintsy hanao izay ho afany mba handresy lahatra an'ny tompom-baolina satria fantatra fa ankoatra ny Barea dia ny hiampita ranomasina ny tanjony.
Clément RABARY

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT