Sport

Kitra – Amboaran’i Madagasikara Hilalao an-tanŕna ny Tana FC sy IFC, hanafika any amin’ny faritra ny Elgeco sy Adema


  • Talata 25 Aogositra 2015

Hiroso amin’ny 1/16-dalana ny fiadiana ny Amboaran’i Madagasikara amin’ny baolina kitra ny faran’ny herinandro izao

 


. Ny 30 aogositra izao no daty tokana hanaovana ireo lalao 16 amina tanàna 13 samihafa. Araka ny fandaharan-dalao dia samy hilalao an-tanàna, eto Antananarivo, ny Tana FC izay hifanandrina amin’ny Talenta Academy avy any Atsinanana sy ny IFC izay hifampitana amin’ny FC Leopard avy any Betsiboka. Hanafika any Antalaha kosa ny Elgeco Plus hifampitana amin’ny FC Joel avy any SAVA. Ny Ajesaia tompondakan’i Bongolava ihany koa dia hanenjika lalao any Antsirabe hifandona amin’ny FC Vakinankaratra ao an-tanànany. Ny AS Adema hiondrana any Antsohihy hihaona amin’ny TAMITSA avy any Sofia. Anisan’ny handray lalao roa mafana koa ny kianja sentetika Rabemananjara hampiantrano ny fifanandrinan’ny Cnaps sport Itasy amin’ny SOM Boeny mpampiantrano ary ny ASCUM ekipan’ny kaominin’i Mahajanga handray an’ny Cosfa avy eto Analamanga. Izay ekipa 16 tafavoaka mandresy eo no hahazo ny tapakilan’ny ampahavalon-dalana izay hotanterahina ny 27 septambra. Efa mirafitra avokoa moa ireo tohin’ny fandaharam-potoana rehetra ka ny ampahefa-dalana hatao ny 18 oktobra, ny manasa-dalana hotontosaina ny 1 novambra ary famaranana kosa dia voalahatra ny 29 novambra.


Rasanda Serge

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT