Sport

Kitra – Amboaran’i Madagasikara Hiditra an-tsehatra ireo ekipa goavana


  • Talata 21 Jolay 2015

Hiatrika ny 1/32-dalana ireo klioba goavana toa an’ny Elgeco Plus, AS Adema, IFC manomboka ny faran’ny herinandro izao. Taorian’ireo lalao savaranoando tamin’ny fiandohan’ity volana jolay ity dia hiditra amin’ny 1/32-dalana ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara ny 25-26 jolay izao. Ekipa 64 no hiatrika io dingana io ka ny

15 amin’ireo izay isan’ireo tsara toerana tamin’ny andiany teo aloha no efa niandry fotsiny tsy niatrika io savaranon’ando io. Kianja 13 no handray ireo lalao ireo mandritra ny roa andro. Isan’ireo klioba goavana hanomboka hiditra an-tsehatra ny Elgeco Plus tompon’ny anamboninahitra farany izay hihaona amin’ny 4FA Alasora eto Antananarivo ny 25 jolay. Ny AS Adema, izay lah-2 tamin’ny taon-dasa dia hihaona amin’ny Boeny Formation ny 26 jolay eto Antananarivo ihany. Ny Cnaps sport, tompon-dakan’i Madagasikara 2014 kosa dia hifanehatra amin’ny AS Ilampy Vakinankaratra eto andrenivoitra hatrany, ny 26 jolay. Ankoatra ireo ny IFC tompon-dakan’Analamanga dia hanafika any Toamasina ary hifandona amin’ny SOS Village d’Enfants. Isan’ireo sekolin’ny kitra tsy azo tsinontsinoavina fa manana ny mahaizy azy ity ekipan’i Toamasina hifandona amin’ny ekipan’ny kaominin’Antananarivo renivohitra ity.

Rasanda Serge


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT