kitra - Amboaran'i Madagasikara

Hanala vela ny Ajesaia


  • Alarobia 17 Janoary 2024

Miditra amin'ny tsotsorimamba hisarahana ireo ekipa valo hiatrika ny ampahaefa-dalana

eo amin'ny Amboaran'i Madagasikara baolina kitra. Hotontosaina etsy amin'ny kianja Elgeco Plus izany ny faran'ny herinandro izao. Natao tamin'ny fomba mangarahara ( sambany) omaly ny antsapaka. Niavaka kely ary dia raikitra sahady ny fihaonana eo amin'ny Disciples FC sy ny Ajesaia izay vao nifanena tamin'ny manasa-dalana tamin'ny Grand Tournoi Analamanga teo. Nandresy mazava moa ny Disciples ary dia hanala vela izany ry zareo avy eny Antanikatsaka. Ny baolina teny hiady anefa dia ny fihaonann'ny Fosa Juniors sy ny CFFA. Eo mantsy vao tena fantatra raha nahafeno ny banga navelan'i Tsiry, Jean Yves ary Fabrice ry Franck Rajaonarisamba izay efa nanomana elaela ihany izay. Toy izao ny fandaharam-potoana. Sabotsy 20 janoary 11 ora : AS Fanalamanga # ASA Diana 2 ora : Fosa Juniors # CFFA Andoharanofotsy. Alahady 21 janoary 11 ora : Disciples FC # Ajesaia 2 ora : Elgeco Plus # MAMA FC.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT