Sport

Kitra – Amboaran’Analamanga Ambivitra no nandrombahan’ny AS Adema ny andiany voalohany


  • Alarobia 01 Jolay 2015

Norombahan’ny AS Adema ny andiany voalohany tamin’ny fiadiana ny amboaran’ny ligin’Analamanga.

 Marihina fa tafiditra amin’ny fifaninanan’ny taom-pilalaovana lasa izy ity fa izao vao natao ny famaranana. Teny amin’ny kianjan’i Betoho no nanatontosana ny fihaonana ny alahady teo ka efa tany amin’ny “tirs au but” vao tafavoaka nandresy ny ekipan’ny seranana tamin’ny isa 4-3 nanoloana an’ny Tana Formation FC. Marihina fa nisaraka tsy nisy nitoko ny ekipa roa tonta hatreo amin’ny fe-potoana ara-dalàna sy ny fanalavam-potoana. Hiverina hitohy indray ny fiadiana ny tompondakan’Analamanga izay hiditra amin’ny andro fah-21 alohan’ny farany ny faran’ny herinandro izao ka hisy ireo lalao hatao eny Carion sy Mahamasina. Mitarika lah-1 voalohany vonjimaika moa izao ny IFC arahin’ny Tana FC akaiky.

Rasanda Serge

Fandaharan-dalao

Andro fah-21:

Sabotsy 4 jolay (Carion)

9:00-STK#4FAA

11:00-Cospn#Cosfa

1:00-ASSM#Hezami

Alahady 5 jolay (Mahamasina)

10:00-Tana FC#Mama FC

12:00-Vesta#Elgeco Plus

2:00-AS Adema#IFC

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT