Kitra:ALASORA ≠ AMBOHIMANAMBOLA

Lasan’Alasora ny amboara sy ny vola 2 tapitrisa Ar


  • Talata 10 Oktobra 2023

Hafaliana ny an’ireo mpitia fanatanjahantena tao anatin’ny kaominina ambanivohitr’Alasora, distrikan’Avaradrano afak’omaly Alahady alina.

Saika tsy nirava ny korana raha tsy tamin’ny 11 ora alina vokatry ny fibatan’ireo ekipa ny amboara goavambe taorian’ny lalao baolina kitra nifanandrinany tamin’ireo ekipan’Ambohimanambola tamin’ny salan’isa 4 no iray. Raha tsiahivina kely dia anisan’ny antony nahatonga ity lalao ity izay nampitondraina ny anarana hoe ; “match de defi” ilay tournoi an’Avaradrano nandraisan’ireo kaominina miisa 15 amin’ny 16 isa anjara. Nivoaka ho mpandresy hatrany ny ekipan’Alasora nandritra izany raha toraka izay ihany koa ny ekipan’Ambohimanambola. Ho an’ity farany sy ny ekipan’i Sabotsy Namehana izay nifanandrina taminy dia nifarana tamin’ny isa iray no iray ny lalao. Nihaalina anefa ny andro tamin’ny herin’ny Alahady teo izay nanaovana ny demi-final raha araka ny fanazavan’ny lefitra faharoan’ny Ben’ny tananan’Alasora Rehotrozo Tojo Andrew ka tapa-kevitra ny Ben’ny tanana roa tonta fa hatao amin’ny andro mazava ny tohiny ka ny ekipan’Ambohimanambola sy Alasora indray no hampifanandrinana mandritra izany. Vita soa aman-tsara ny lalao vokatr’izany saingy efa eo am-panomanana ny lalao baolina kitra tournoi ho an’ny Ben’ny tanana indray ny kaominina ankehitriny.
Pati Legende : Nahazo taratasim-bola tahaka izao ireo ekipa mpilalao baolina kitra avy ao amin’ny kaominin’Alasora ! 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT