Sport

Kitra Alaotra Mangoro Mitarika hatreto ny VA. TIKO


  • Alakamisy 30 Aprily 2015

Niady ny baolina tamin’ny alahady 26 aprily teo. Lavon’ny VA. TIKO tamin’ny isa 2- 0 ny Ekipan’ny Abattoir ACCA. Tolotra tsara avy any amin’ny gosy kely no noraisin’i Fanja dia nodakany ka nampikobana ny haraton-dry zareo ACCA

 


 

. Isa 1-0 no nisarahana teo am-pialana sasatra. Nanovokovoka mafy ry Lepapa saika hitady hanasahala ny isa teo amin’ny fidirana faharoa saingy efa niomana ny amin’izany i Niry mpiandry tsatoby ny VA.Tiko. Hita ho nitaky ny havizanana ho an’ireo ekipa ny Abattoir tany amin’ny 15 minitra farany ka mora tamin’ny Parany ny nampiditra ny baolina faharoa ho an’ny VA.Tiko. Mitarika vonjimaika hatreto ny VA. Tiko izay manana isa 4, izany hoe ady sahala iray sy fandresena iray. Mbola manana lalao roa izy ireo raha lalao iray avy sisa ireo iray sokajy aminy. Lesoka tamin’ny alahady teo ny tsy fahafehezana ny mpitsara ny lalao ka somary niteraka disadisa teo amin’ny fihaonana ny AS Kraoma sy ny HJAM. Tsy vita hatramin’ny farany ny lalao teo amin’ireo ekipa roa ireo noho ny AS Kraoma tsy nety nilalao intsony noho ny fahitany ny fihetsika tsy maotina nataon’ny mpitsara. Isa mavesatra 8-0 be izao no teny amin’ny tabilao ka voatery nampiato ny lalao ny mpitsara teo amin’ny latabatra.

Niry A      

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT