Sport

Kitra – 25e Mondial pupilles Samy mandeha samy mitady ireo ekipa malagasy telo


  • Alakamisy 06 Mey 2010

Lasa mahasarika ireo “sekolin’ny kitra” ny manao dingana lehibe tonga dia miatrika fifaninanana iraisam-pirenena any ivelany.

Anisan’ny tena nalaza ary nahita vokatra tsara tamin’ny fiatrehana ny “Mondial Pupilles” tany Plomelin Frantsa ny Ajesaia tamin’ny taona 2006 dia iny fa nanaraka ireo hafa na dia misy zara raha fantatra aza. Ekipa malagasy telo be izao no hihazo an’i Plomelin Frantsa handray anjara amin’ny andiany faha-25 hatao ny 13-16 mey izao dia ny Etoile filante sy ny AJSAM ary ny Tsimialonjafy FC. Ekipa 72 avy amin’ny firenena 35 no miatrika ity fifaninanana ity. Tsy nisy rahateo ny fifaninanana sivana ahafahana mamaritra ny fandraisana anjara amin’io “Mondial” katitakely io. Mikasika ireo ekipa Malagasy manokana, ny Etoile filante dia fikambanana ara-panatanjahantena efa folo taona nisiana eny Antohomadinika no misy azy. Mpanomana ara-teknika azy ireo Rabemaromanga Yves, mpanazatra ny Ajesaia fahiny izay nahatafita ity ekipan’i Taninkatsaka ity nandrombaka ny anaram-boninahitra taona 2006. Ekipa Anisan’ny henjana miandry ny Etoile filante ao amin’ny vondrona misy azy ny Liderenca Sao Paulo breziliana sy ny Lille OSC frantsay. Ny AJSAM (Association des jeunes sportifs avenirs de Madagascar) ihany koa dia sekoly eny Ilanivato sy Ampasika eny. Tarika anisan’ny goavana hifandona amin’ny AJSAM ao amin’ny vondrona misy azy ny ekipan’ny foibem-piofanan’i Plomelin mpampiantrano. Ny Tsimialonjafy FC moa dia tsy re feo mihitsy ny fanomanantenany fa samy mandeha samy mitady. Na eo aza ny mety ho fanampian’ireo malala-tanana dia samy mitady ny hoenti-manany hiatrehana io fifaninanana io ka mandray anjara amin’ny fahalasanan’ny ekipa ireo ray aman-drenin’ny mpilalao tsirairay. Mifofotra ny hahalasa ny zanany e !

Hery Rabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT