Hiverina indray manomboka izao ny pejy manokana ato amin’ny gazetintsika hitaterana an’ireo kintan’ny fanatanjahantena Malagasy rehefa somary niato kely nanomboka tamin’ny fiatrehana ny Mondial baolina kitra tamin’ny taon-dasa 2018 tany Rosia
. Nomem-boninahitra hisantatra izany ary amin’ity sabotsy 26 janoary 2019 ity ny filoha mpanorina ny vondron’orinasa Vidy Varotra, Tahina Razafinjoelina, tompondakan’i Madagasikara 2018 teo amin’ny taranja rallye Malagasy. Tsy mahagaga, araka izany, ny nisaloran’ny fiara Subaru Impreza n° 5 Classe M 12 an’io marika Vidy Varotra eny amin’ny fifaninanana handraisany anjara.
Hofantarintsika amin’ny resadresaka nifanaovana taminy ary ny manodidina an’ity kintan’ny fanatanjahantena Malagasy vahinintsika ity.
Tia Tanindrazana (T.T) : Oviana marina no nanomboka nanao rallye ianao tompoko ary iza no nampirisika anao hiditra amin’izany ?
Tahina Razafinjoelina (T.R) : Tamin’ny taona 2010 aho no nanomboka nanao rallye. Nanomboka tamin’ny mpanamory mpanampy tamin’izany fotoana ary niaraka tamin’i Anders “Andry Randriamanamihaja”. CITROEN Ax no fiara nampiasainay tamin’izany. Tena azoko lazaina fa i Anders no nampiditra ahy tao anatin’ny tontolon’ny rallye ary isaorako azy manokana izany satria talohan’izay aho dia nihevitra foana hoe mitovy amin’ny mandeha mafy eny an-dalambe ny mandeha mafy amin’ny rallye, hay zavatra hafa mihitsy.
T.T : Azonao hazavaina ve izany maha zavatra hafa ny rallye izany ?
T.R : Voalohany aloha dia hadalana ny fandehanana mafy eny an-dalambe satria misy ain’olona maro miaraka lalaovinao amin’ny ainao. Raha sanatria misy loza, dia mety hanimba olon-kafa ianao. Faharoa dia tsy misy tsirony mihitsy ny handeha 200 km/h amin’ny arabe mihoatra ny fandehanana amin’ny rallye. Ny rallye dia misaoty, miderapy ary any anaty lalana tery dia tery sy lalan-tany no aleha amin’ny ankapobeny. Hafa mihitsy ny mandeha 180 na 200 km/h amin’ny rallye. Asaiko an-tanan-droa ireo izay maniry ny handeha mafy mba hiditra anatin’ny taranja fa manjary mahabe loza ny fandehanana mafy eny amin’ny arabe.
T.T : Ny vadinao ihany matetika no manampy anao amin’ny rallye ataonao, misy antony manokana ve ?
T.R : Tamin’ny taona 2015 no nanomboka niaraka nanao rallye tamiko ny vadiko. Sendra tsy afaka i Tahiana “copilote” mpiaraka tamiko tamin’io fotoana io, dia izy no nanampy ahy. Nitana ny laharana faha-4 izahay mivady tamin’izay ary tany Boeny no nanaovana ny fifaninanana. Tena natahotra izy tamin’ny voalohany fa avy eo rehefa tafiditra tsara tamin’ny fifaninanana dia ny mampirisika ahy indray aza no nataony. Tena mila olona mifandray tsara ary mifampatoky ao anaty fiara fa manjary tsy mahomby. Resaka segondra no hiadiavana amin’ny mpifaninana ary tena faran’izay ilaina ny torolalana ataon’ny mpamily mpanampy.
T.T : Izy 3 mirahavavy zanakao ve misy mankafy spaoro mekanika sa tsy manotrona anareo any amin’ny rallye fotsiny ?
T.R : Mankafy ary manohana daholo izy telo mirahavavy. Ary na ireo ray aman-dreninay mivady aza dia tena manohana anay tokoa, indrindra fa ny raiko manokana sy ireo iray mpiray tampo amiko. Ny zanako vavy dia mpifaninana amin’ny “Carting” ary mifaninana ho tompondakan’i Madagasikara ihany koa. Faha-4 izy tamin’ny taom- pilalaovana teo. Matetika izahay mianaka miara-mikotrana amin’ny Carting satria ny Carting koa dia anisan’ny spaoro mekanika tena tsara tokoa. Indrisy fa mbola vitsy isika no mahalala an’izany fa rehefa mijery fifaninanana Carting dia tena hita fa tena avo be ny fahasahian’ireo mpamilitsinka.
T.T : Manao ahoana ny fijerinao ny haavo teknikan’ny spaoro mekanika Malagasy mihoatra amin’ny any andafy sy atsy afrika ?
T.R : Raha oharina amin’ny Afrikanina aloha dia azo lazaina fa efa mitovitovy amin-dry zareo ihany isika. Porofon’izany ny fandresena in-droa sa in-telo azon’i Joda sy Rila tamin’ny fifaninanana nandraisan’izy ireo anjara tao Afrika. Nifaninana tamin’i Rautenbach izy tamin’izany, izay mpamily efa mpandray anjara amin’ny fifaninanana eran-tany dia ny WRC, fa tena tsy nitsanga-menatra isika Malagasy nanana azy ireo. Ankehitriny, manana ireo mpandimby “relève” isika. Eo i Rivo, Boana, Fredy sy ny sisa maro be. I Hugo koa tsy hadinoina izay nahazo vokatra tsara be tany Frantsa tamin’iny taona lasa iny.
T.T : Misy hetahetanao manokana ve eto am-pamaranana ?
T.R : Ny ahy izany ny tena faniriako dia ny mba hampiroborobo ny fanatanjahantena Malagasy. Ny tena mahavoa antsika dia mifampiandry ny mpijery sy ny vokatra. Ny mpijery malaina satria tsy misy ny vokatra. Ny vokatra koa anefa tsy eo satria tsy misy mpijery. Ny mpijery no ahafahan’ny mpanao fanatanjahantena ho matihanina amin’izay ataony. Izay no ahafahany mifantoka tanteraka amin’ny spaoro. Raha tsy mahavelona ny spaoro, dia tsy maintsy mitady fivelomana hafa ny sportifa Malagasy satria ny fiainana dia tena efa sarotra be. Porofon’izany dia rehefa mijery ireo lalao baolina kitra any ampita isika, eny fa na irony diviziona ambany irony, dia feno foana ny mpijery. Ary ny azy dia am-bolana maro dia efa feno ny famandrihan-toerana.
Mankasitraka ny gazety tia tanindrazana tamin’ny fanasana.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.