Sport

Kintan’ny Fanatanjahantena Malagasy Rina Narindra Harimbola Randrianarisoa


  • Zoma 17 Novambra 2017

Ny fanatanjahantena tsy misy fianarana dia zava-poana Kintan’ny fanatanjahantena Malagasy miaraka amintsika eto amin’ity pejy ity anio ny kalaza amin’ny filalaovana basikety baolina, Randriranarisoa Rina Narindra Harimbola fantatry ny maro amin’ny fiantsoana azy an-kianja hoe :

Rina, 37 taona ary lahimatoan-dray aman-dreniny amin’ny zaza 3 mianadahy ary manambady sy efa niteraka mianadahy. Izy dia zokin’i Bôlô mpanao vavao an-tsira ao amin’ny televiziona tsy miankina Tv-Plus izay ambarany fa tsy nanaraka  ny diany fa kalaza kosa amin’ny basikety vava.

 

Vao kilonga madinika i Rina dia efa nankafy an’ity taranja ity. Nanomboka tamin’ny taona 1995 (14  taona) no tena nilomano tao anatiny na dia nanao taranja hafa toy ny baolina kitra, volley-ball, rugby, hand-ball koa aza. Mpilalao basikety  ny reniny na dia tsy dia kalaza loatra aza. Izy no nahatonga an-dRina ho tia an’ity taranja ity tanteraka. Efa in-3 izy no tompondakan’i Madagasikara teo amin’n sokajy cadet sy junior ary efa nahazo ny medaly volamena tamin’ny lalaon’ny CJSOI andiany faha-2 notontosaina tany Seychelles tamin’ny 1999. In-4 tompondaka Oniversitera niaraka tamin’ny IMGAM sy ny DEGS . Nandrombaka ny anaram-boninahitra « Meilleur Sportif de l’Année de la Faculté de DEGS tamin’ny 2005. Nibata ny medaly volafotsy tamin’ny Lalaon’ny nosy andiany faha-7 natao teto Madagasikara teo amin’ny taranja basikety baolina. Tompondakan’ny RNS-France baskety tamin’ny taona 2008. In-6 tompondakan’ny CCCOI (Coupe des Clubs Champions de l’Océan Indien) 2006 tany Mayotte, 2007 tany La Réunion, 2008 sy 2013 tany Maurice, 2009 sy 2015 teto Madagasikara. Efa nibata ny amboaran’ny MVP (Most Valuable Player) tamin’ny CCCOI basket taona 2013 tany Maurice ary tamin’ny « All Star Gasy » nokarakarain’ny FMBB sy ny RTA tamin’ny 2010. In-6  tompondakan’i Madagasikara N1 A niaraka tamin’ny ekipany Bbcm, Sebam, Ascut (2007, 2010, 2011, 2012, 2013 ary 2014). Efa tompondakan’ny SMATCH-IN tamin’ny taona 2014 sy 2015 niaraka tamin’ny DEGS ary efa (Coach) no toerany tamin’izany ary farany teo dia nitarika ny delegasiona Malagasy nanatrika ny fiadiana ny Tompondakan’i Afrika FIBA 3X3 tany Lomé TOGO ka nandrombaka ny medaly alimo. Raha fintinina dia mpilalao kalaza niofo tsikelikely ho lasa mpitantana ny lalao basikety baolina  Malagasy i Rina Randrianarisoa. Sady mbola nilalao izy no efa mpikambana tao amin’ny FMBB ary izy ankehitriny no filohan’ny “Commission basket-ball de Masse” sady delegen’ny basket 3x3 ao amin’ny FMBB. 2 taona izay no nampiroboroboana an’ity basikety 3x3 ity rehefa avy nitantana ny Afrobasket Tours sy ny Tournoi basket fokontany ny tenany. Nanampy azy betsaka tamin’ny dingana vitany ny fianarana norantoviny hatreny amin’ny ambaratonga ambony (DEGS sy IMGAM ary IMaTEP) sy ny efa naha encadreur azy teny amin’ny Lycée tsy miankina teto an-drenivohitra sy naha moniteur sportif basket-ball ny DEGS  Antananarivo azy. “Tena nanampy betsaka ahy tamin’ny fifandraisana aman’olona maro sy olona ambony ny fahaizako basikety, hoy i Rina, ary tombony be ho ahy tamin’izany koa ny fahatokisan’ny olona ny tenako niampy ny fahamarinana nentiko ka nahazoako niakatra ny antanantohatra eto amin’ny CUA misy ahy ankehitriny izay niainga tamin’ny naha Assistant-n’ny Chef de Service Fêtes et Spectacle sy Assistant du Directeur du Déplacement avy eo lasa Chef de Service Etudes et Programmations de l’Urbanisme et Développement dia lasa ho  Chef de Service Etudes et Programmations de la Direction de Développement io avy eo ary ankehitriny dia Chef de Service de la Jeunesse, des Sports et Vie Associative ao amin’io toerana io”.

“Manampy tsara ny fianarana ny fanatanjahantena amin’ny ankapobeny, hoy ity kalazan’ny basikety lasa Chef de Service ity, nefa raha fanatanjahantena tsy misy fianarana dia ho zava-poana ihany satria eto amintsika eto Madagasikara tsy mbola misy ny “professionalisme” amin’io resaka fanatanjahantena io.

Ka ny hafatra hatsipiko ho an’ny tanora Malagasy mifototra amin’ny fanatanjahantena ankehitriny, hoy i Rina, dia mila mifototra tsara amin’ny lafiny teknika fototra izy ireo nefa tsy tokony hanao an-tsirambina ny fianarana na izany aza mba hahatonga ny ray  aman-dreny tsy ho kivy hanampy azy ireo fa tena manao “investissement” ireo ray aman-dreny ireo amin’ny fividianana fitaovana hoenti-miatrika fanatanjahantena sy fanomezana tohan’aina na “régime” hanaovana azy io”.

Hoy izahay eto amin’ny Tia Tanindrazana manampy teny ho an’ny tanora Malgasy, raha mindrana ny fomba fiteny Betsileo iray eto am-pamaranana manao hoe : “Ny soa fiagnatsa”.   

 

Nanangona sy nandrindra ny lahatsoratra : Ntsoavina Evariste

Rina Randrianarisoa

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT