Sport

Kintan’ny Fanatanjahantena Malagasy Razanadrakoto Soloniaina Jean de Dieu « Porte-Fanion » an’i Madagasikara tany Beijing


  • Zoma 03 Novambra 2017

Mbola maro ireo kintan’ny fanatanjahantena Malagasy nisalotra ny anaram-boninahitra tompondaka eran-tany tamin’ny taranja samihafa izay mbola hoentintsika eto amin’ity pejy ity amin’ny fotoana hahazoana azy ireo fa anio aloha dia ny Malagasy

 

« Olympien » iray amin’ireo 80 mahery misalotra izany anarana izany eto amintsika no horesadresahana fohy dia Razanadrakoto Soloniaina Jean de Dieu kalaza tamin’ny fiangaliana ny taranja ady totohondry.

Tia fanatanjahantena hatramin’ny fahakeliny ity zanaka faha-4 amin’ny 12 naterak’i Jean kely Levahiny mpamono sy mpisavika omby sy ramatoa Julienne mpivarotra vadiny ity fa vao 9 taona monja izy dia efa niangaly ny taranja Karaté, 11 taona dia nivadika nanao Tolona, 12 taona dia nanao Aikiko ary 15 taona dia nifindra tanteraka nanao Ady totohondry (Boxe Anglaise) niatrika ny « championnat de Tanà » ary tamin’ny taona 1992 no niakatra ringa voalohany tamin’ny naha débutant azy. Manambady ny lehilahy ary manana zanaka 2 lahy sy vavy iray (efa manambady ny mianadahy) ary miisa 2 koa ny zafikeliny. Nianatra nanao ady totohondry kely ihany koa ireo zanak’i Soloniaina ireo saingy tsy nampirisihany hifototra tamin’izany loatra satria noheveriny fa tsy mitondra afa-tsy ny fahazoana laza fotsiny ny fanaovana fanatanjahantena eto amintsika ka  naleony nampirisika azy ireo tamin’ny fianarana. Nambaran’i Soloniaina fa nahafahany nitety an’izao tontolo izao afa-tsy tany Aostralia sy nampalaza azy teto Madagasikara hatrany ampitan-dranomasina ny nazahoany anararam-boninahitra tompondakan’i Afrika sy tompondakan’ny Ranomasimbe Indiana sy ny nahazoany medaly volamena maro tamin’ireo fifaninanana ireo sy ny lalaon’ny nosy ary ny lalaon’ny Frankofonia fa tsy nanampy azy kosa teo amin’ny fiatrehana ny adim-piainana satria tsy mba volabe no azony tamin’izany fotoanandro izany fa fanampiana kely fotsiny ihany zara raha afaka nanampiana ny vady aman-janaka na dia ny vatsim-pianarana azo tamin’ireo fiofanana narahina tany ivelany. Nahafahany nividy tany 6 hetsy tamin’ny 1 tapitrisa azony tamin’ny lalaon’ny Frankofonina 1998. Marihana fa vao 23 taona i Soloniaina tamin’ny 1996 dia efa voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara tamin’ny ady totohondry sokajy 60 kg ary niatrika ny ho tompondakan’ny Ranomasimbe Indiana koa tamin’izany. Nanaraka fiofanana tao amin’ny Insep tany Paris tamin’ny 1997 ary nahazo ny medaly volamenan’ny lalao Frankofonia tamin’io taona io. Efa nahazo medaly volamena tamin’ny lalao iraisam-pirenena tany Cambodge sy tany Gabon tamin’ny 1998. Nahazo medaly alimo tamin’ny “champion d’Afrique” tany Algerie ary lany ho “reserve Africain” tamin’ny “Mondial Boxe” tany Chine tamin’io taona io. Nahazo medaly volafotsy tamin’ny lalaon’ny nosy 1998 tatsy La Réunion. Champion Interafrique ka nahazo medaly volamena tamin’ny 1999 ary nahazo medaly alimo tamin’ny lalao iraisam-pirenena tatsy Maorisy sady mbola nahazo medaly volafotsy tamin’ny fiadiana ny “Coupe du president” tatsy Seychelles mbola tamin’io taona io ihany ary farany nanarana fiofananan Espoir 2000 tany Tunisie ary nahazo medaly volamena tamin’ny lalao Inter-Africain tany Egypte. 2001 niatrika ny lalaon’ny Frankofonia tany Canada.  2004 nahazo medaly alimo tany amin’ny “Qualification  Jeux Olympiques - Grèce” natao tany Botswana. 2005 niverina ho tompondakan’i Madagasikara sokajy 64 kg. 2005 nahazo medaly volamena tamin’ny “Coupe d’Afrique” tetsy amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena. 2007 nahazo medaly volamena tamin’ny lalaon’ny nosy natao teto Madagasikara. 2008 nahazo medaly volamena tany Namibie tamin’ny “Qualification Jeux Olympiques de Beijing” sady nahazo medaly volamena tamin’ny fiadiana ny “Coupe d’Afrique” tany Maurice ka nahazo ny antsoina hoe N°1 Afrique ary niatrika ny fiofanana olimpika tany Tunisie. 2011 nitondra boay kely tany amin’ny CCCOI tany Seychelles ary lasa mpanazatra ao amin’ny klioban’ny CBBI Boxe tarihan’i Me Razafimahatratra Felix ankehitriny. Manampy an’ireo tany rehetra notanisaiko ireo dia efa tany Taipeh sy Philippine koa aho ary efa nanandratra avo ny firenena Malagasy tamin’ny naha “porte fanion” ahy tamin’ny lalao olimpika natao tany Beijing.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT