Sport

Kintan’ny Fanatanjahantena Malagasy Razafindralambo Bayard Jockey niofo ho mpilalao basikety


  • Sabotsy 23 Febroary 2019

Mbola hijanona eo amin’ny taranja Basikety baolin ihany isika, amin’ity andiany faha-4 amin’ity taona 2019 ity, hitaterana an’ireo Kintan’ny

Fanatanjahantena eo amin’ity pejy manokana ato amin’ny gazety Tia Tanindrazana ity anio sabotsy 23 febroary 2019. Hotaterintsika avy amin’ny resadresaka nifanaovana taminy ny mombamomba fohy an-dRazafindralambo Bayard izay Jockey mpitaingin-tsoavaly no niandohany nefa lasa mpilalao sy mpanazatra lalao basikety ankehitriny.Manana ny fahitany ny lalao basikety Malagasy amin’izao fotoana izy ary efa nahatafita ny fankafizana an’ity taranja ity tamin’ireo zanany sy efa niampita ranomasina noho ny basikety ihany koa.

 

Mpanazatra ny ekipa basiketin’ny Dream Team Analamanga sy ny ekipa nasionaly Malagasy no toerana sahanin-dRazafindralambo Bayard ankehitriny.  “Mpitaingi-tsoavaly tahaka an-drainay no niandohako nanao spaoro, hoy izy, fa tarana-dRandrianjafy kalaza tamin’io taranja io izahay.  Ny fahitana ny ekipan’ny SOE “Stade Olympique de l’Emyrne” nibata ny anaram-boninahitra tompondakan’i Madagasikara im-betsaka no nahaliana ahy tamin’ny taranja basikety. Vao 10 taona monja aho tamin’ny taona 1974 dia efa nanatrika lanonana nataon’ny SOE tamin’izany teny Soanierana fa teny koa izahay no nipetraka. Tamin’ny taona 1979 aho no niditra sokajy “Cadet” tao amin’ny ekipan’ny Stade ka Ratefy no mpanazatra nanofana anay tao tamin’izany. Tsy niala mihitsy tao amin’ity ekipan’ny SOE ity hatramin’ny taona 2008 (niofo ho mpanazatra tao ny taona 1998-2008) ary efa im-betsaka no voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara niaraka tamin’io ekipa io. Tamin’ny taona 2008 aho no nifindra ho mpanazatra ny ekipan’ny Dream Team hatramin’izao taona 2019 izao. Efa nivoaka tany Afrika Atsimo sy tany Egypte aho nitondra ny ekipam-pirenena Malagasin’ny taranja basikety sokajy U 18 2004 sy 2005.

Efa nahatafita ny fahaizana sy fitiavana lalao basikety tamin’ireo zanany i Bayard ankehitriny fa efa milalao ao amin’ity ekipan’ny Dream Team ity avoka ireo zanany 4-dahy (1 sokajy U 18, 1 sokajy U 20 ary 2 sokajy Sénior).

Tia tanindrazana (T.T) : Tsy maintsy mitabataba amin’ny mpilalao foana ve ny mpazatra basikety eny ambony kianja ary dia mahatanty an’izany daholo ve ny rehetra ?

Razafindralambo Bayard (R.B) :Tsy maintsy mila “Choc psychologique” foana vao mandeha ny lalao ary misy koa tsy maharaka ny fampianarana nampitaina taminy ny mpilalao sasany raha tsy tabatabaina mafy. Misy anefa ny tsy mahazaka an’izany ary dia miala ao anatin’ny ekipa mihitsy.

T.T : Misy maha samy hafa azy ve ny manazatra ekipa 1 sy ny manazatra ekipa nasionaly ?

R.B : Tena samy hafa be mihitsy satria ny firenena no tsy maintsy jerena be dia be amin’ny fitondrana ekipa nasionaly. Manery avokoa ny “Pression” avy amin’ny mpitondra sy mpitantana ary ny vahoaka mpijery sy ny tsy maintsy hahazoana “résultat” tsara amin’ny lalao atao.

T.T : Manao ahoana ny fijerinao ny basikety Malagasy ankehitriny ?

R.B : Efa lasa alavitra aloha ry zareo Angoley sy Egypsiana ary Nizeriana amin’ity basikety ity ankehitriny fa eo amin’ny lafiny “publique”  kosa dia azo ambara fa n°1 aty Afrika ny Malagasy. Ny ezaka tokony  hatao raha te hampiroborobo an’ity taranja be mpankafy ity eto amintsika dia ny fitadiavana  olona lava ranjanana nefa mahafehy ny teknikan’ny basikety tsara. Tokony  hentanina hivadika “Sémi-Pro” ny ekipana basikety Malagasy ankehitriny ary tokony hanangana  “Centre de Formation” maro koa isika. Tsara raha samy manangana kianja filalaovana basikety ho azy samirery avokoa ireo klioba rehetra misy manerana ny nosy. 

T.T : Mifandray tendro tsara sy mifanampy ve ianareo mpanazatra basikety Malagasy ankehitriny ?

R.B :  Tena anisan’ny olana eo aminay mpanazatra Malagasy mihitsy ity resaka fifanandrinana amin’ny fitondrana ekipa ity.  Lasa taritin’ny sasany ety amin’ny fiainana an-davanandro ety ivelany ny fifandirana nisy teny an-kianja ka manjary tsy misy ny  firaisan-kinan’ny rehetra fa lasa samy maka ho azy izany . Nefa izay mihitsy no tena ilaina  amin’ny fampandrosoana  an’ity taranja ity.

Hafatra homen’i Bayard ho an’ny tanora Malagasy ankehitriny :

Efa sehatra iray  ahafahana mivekatra  ny taranja basikety ankehitriny Mampirisika an’ireo tanorantsika aho hilofo amin’ny fiangaliana azy ity. Tokony hanampy azy ireo amin’izany hatrany ny fanjakana Malagasy amin’ny ankapobeny.

 

Ntsoavina Evariste

Razafindralambo Bayard

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT