Sport

Kintan’ny Fanatanjahantena Malagasy Razafimahatratra Herilantosoa Nahafahako nahita ny tany andafy ny fanatanjahantena


  • Zoma 15 Desambra 2017

Mbola hiverina eo amin’ny taranja tsipy kanetibe indray isika anio eto amin’ity pejin’ny Kintan’ny Fanatanjahantena Malagasy ity satria anisan’ny taranja namoaka tompondaka eran-tany maro ity taranja ity ho antsika Malagasy.

Iray tamin’ireo efa-dahy nisalotra izany anaram-boninahitra izany tamin’ny taona 2016 teto Antananarivo Madagasikara no hiresadresaka amintsika  dia Razafimahatratra Herilantosoa niaraka tamin-dRazakarisoa Tita, Andrianiaina Nanou ary Rakotondrazafy Lova.

 

Mpilalaon’ny klioban’ny Bic Ambohimahasoa distrikan’i Fianarantsoa Faritra Mahatsiatra Ambony i Herilantosoa tamin’ny nahavoaantso azy tao amin’ny ekipam-pirenena Malagasin’ny tsipy kanetibe hiaro ny voninahi-pirenena tamin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany notontosaina teto Madagasikara tamin’ny taona 2016. 38 taona ny lehilahy ary niteraka vavy 9 sy 11 taona izay tsy rototra loatra amin’ny taranja tsipy kanetibe na dia efa manaraka an-drainy any amin’ny filalaovana “boules” aza fa taranja hafa toy ny basikety baolina no hataon’izy ireo any am-pianarana. Tamin’ny taona 2005 no nanomboka nilalao ny taranja tsipy kanetibe izy, araka ny filazany. I Hery no fiantson’ny namany azy eo amin’ity taranja ity. Efa tompondakan’i Madagasikara sokajy “doublette” lehilahy sy tompondakan’i Madagasikara sokajy “mixte” ihany koa nialoha io nandraisany anjara tamin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany tamin’ny 2016 io. Tena nampilamina ny fiainam-pianakaviako ny nilalaovako tsipy kanetibe, hoy i Hery. Tsy nahita izany tany Andafy izany aho raha tsy nilalao an'ity taranja ity ary dia nanjary nivezivezy tany foana isan-taona. Tena nanampy ahy ny fanatanjahantena raha tsorina. Any ivelany any indray indrindra any Frantsa dia mahazatra ny mpilalao “boules” tokoa ny manasa ny mpilalao Malagasy fa tsy malaza ny hetsika raha tsy misy Malagasy mifanandrina aminy. Ho ahy manokana, efa nisy ny nikitikitika ahy ny hijanona sy hilalao any Frantsa fa miandry fotoanany moa ny zava-drehetra ary na hisy aza izany dia hezahina hotazomina ny maha Malagasy ny tena. Mbola vonona ny hanampy ny ekipam-pirenena Malagasy ny tenako amin’ny ho avy ary hiezaka hatrany ny hitazona ny maha tompondaka eran-tany ahy.

Tamin’ny fotoana nandrombahanay ny anaram-boninahitra eran-tany iny dia tena faly tena faly tsy nisy ohatra izany izahay rehetra fa efa ela no naniriana izany tato anaty ka tanteraka ihany nony farany. Tena nahatsiaro afa-po tamin’ny fiarovana ny voninahi-pirenena izahay tamin’iny fotoana iny ary nahatsiaro tanteraka koa  ny maha Malagasy ny tena ary nanana “fierté” tokoa tamin’izany.  Vao mainka nanampy ahy tamin’ny fiainako manontolo iny nahavoahosotra ahy ho tompondaka eran-tany iny. Nahatsiaro nanana rahalahy tokoa aho tamin’ny fiarahana tamin’ireo namako nanomana iny fifaninanana iny satria tao anatin’ny “regroupement” nataonay teto Antananarivo dia tena niray hina tanteraka ny ekipa manontolo ary tsy mba nisy fifamaliana izany teo aminay rehetra tao anatin’ny ekipa nasionaly ary hisaorako etoana manokana ny mpazatra Dollys izay tena nanampy anay teo amin’ny lafiny rehetra mihitsy tamin’izany. Henonay fa nisy tsy nankasitraka izahay efa-dahy mpilalao ireny nefa tsy atao mahagaga izany fa izay ilay toe-tsaina Malagasy tsy mahay mankasitraka namana. Izaho dia manao ny asana “Collecteur produits locaux” ary mivarotra sy manao fiompiana ihany koa  miaraka amin’ny vadiko ka tena nanampy betsaka ahy tamin’ny fanatsarana ny asako ny nahazoako ilay anaram-boninahitra eran-tany sy ny tombontsoa kely azo tamin’izany.

Tanora ny tena ary nahafinaritra fa nampihetsika ny hambom-pon’ny tanora Malagasy maro iny nahavoahosotra anay ho tompondaka eran-tany iny, indrindra ireo milomano ao anatin’ny taranja tsipy kanetibe. Ny hafatro dia mampirisika  an’ireo  tanora namana aho ny hanohy ny ezaka efa natao eo amin’ity taranja ity. Aza matahotra ary miezaha manao ny tsara hatrany ka ataovy madio lalandava ny lalao atao. Mba hafarako ihany koa eto am-pamaranana ireo manampahefana eto an-toerana mba hijery akaiky amin’izay an’ireo atleta tsy an-kanavaka nanandratra avo ny voninahi-pirenena tahaka anay efa-dahy tompondaka eran-tanin’ny taranja tsipy kanetibe tamin’ny taona 2016.     

 

Nanangona sy nandrindra ny lahatsoratra : Ntsoavina Evariste


 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT