Sport

Kintan’ny Fanatanjahantena Malagasy Ravelomanantsoa Mamy Andriantiana Mampandroso ny fanarahan-dalàna eo amin’ny fanatanjahantena


  • Sabotsy 31 Martsa 2018

Iray amin’ireo atleta namiratra indrindra teo amin’ny fiangaliana ny taranja basket-ball Malagasy, indrindra teo amin’ny tifi-davitra fony tsy mbola nisy « tirs à 3 points » ofisialy no vahinin’ny

Kintan’ny Fanatanjahantena eto amin’ny Tia Tanindrazana anio sabotsy 31 martsa 2018 dia Ravelomanantsoa Mamy Andriantiana na i  Mamy ho an’ny rehetra nahafantatra azy.

 

Mpilalao nikoizana tamin’ny tifi-davitra tao amin’ny ekipan’ny SOE na STADE Antananarivo i Mamy ary tsy niala tao amin’ity ekipa ity sy nanao taranja hafa intsony hatramin’ny nidirany tao tamin’ny taona 1964 (sokajy cadet) mandraka ankehitriny taona 2018. Nahasaro-piaro azy fatratra izany anarana Stade basket-ball izany ary nohajainy sy nolalainy fatratra ka nandalany ny teny filamatra ao amin’ity ekipa ity manao hoe : “ Ao amin’ny Stade sady mahay basikety no mahay fianarana » sady nankatoavany ny foto-kevitra nentin’ny mpanazatra Ratafy tao amin’ity ekipa ity. Fony mbola mpianatra kilasimandry tao amin’ny Lycée Galliéni teny Andohalo no nanombohan’i Mamy niangaly an’ity taranja ity tamin’ny taona 1962, mbola andron’ny fanjanahantany,  na dia kalaza tamin’ny fiangaliana ny baolina kitra koa aza izy fa tao amin’ny ekipan’ny Uasc Cheminots kosa no nidirany nilalao voalohany teo amin’ny sokajy « minimes » ka rehefa resin’ny ekipan’ny St Michel in-3 nisesy ry zareo teo amin’ny famaranana dia efa saika tsy hilalao basikety intsony ny lehilahy. Efa niaraka tamin-dry Henri Randrianjatovo tao amin’ny ekipa nasionaly notantanan-dRatefy Rakotoarimalala Edmond izy. Nalaza tamin’ny fotoanandrony izany « Critérium National des Meilleurs Jeunes Basketteurs de Madagascar » izany ka nanoloran’ny ekipa manerana an’i Madagasikar mpilalao 2 nofanina tao ka isa 100 no hanakilasiana izay mety hahazo ny laharana voalohany tamin’izany. Isa 87 no azon’i Mamy tamin’izany ka nisalorany an’ilay anaram-boninahitra « Main d’or » sy « meilleur tireur » sy « meilleur dribleur » ihany koa ka teo no nanombohan’i Mahamasina sy Madagasikara manontolo nahafantatra azy sy nampalaza azy ihany koa.

Efa im-betsaka tompondakan’Antananarivo niaraka tamin’ny Stade i Mamy nanomboka tany amin’ny sokajy « Junior », « division d’honneur » na N1 B ankehitriny, « divisioa Excellence » na N1 A ankehitriny. Efa tompondakan’i Madagasikara sokajy Junior tamin’ny 1970.  Tena nalaza tamin’ny andron-dry Mamy ny niadiana ny « Grande Coupe de Madagascar » teo amin’ny taranja basikety nanomboka tamin’ny taona 1965 ka izay mahazo azy in-3 misesy na in-5 mielanelana ny tena tompony amin’ny farany. Nanjaka tanteraka ny ekipan’ny Stade tamin’izany ka nahatonga ny filohan’ny Repoblika voalohany nanery ny namoronana ny ekipan’ny Sotema basket-ball (nampitsipozipozy ny ekipan’ny Etoile Comorienne  Mahajanga sy ny Avenir du Boina ary ny Fortior)  izay nifaninana tamin’ny stade tanteraka ary nandrombaka ny « Grande Coupe » in-2 nisesy tamin’izany nefa lasan’ny Stade ihany io amboara io rehefa niady azy fanin-5 tamin’ny ekipan’ny Gofa Diego nandresy ny Caf Fianarantsoa tamin’ny fotoanandrony izy. Teo no nanombohan’ny mercenariat tamin’ny taranja basikety.

Efa tafiditra tamin’ireo mpilalao 10 nandrafitra ny ekipam-pirenena Malagasy niaraka tamin-dry Tombo, Pepe, Mansare, Coco Fianarantsoa, Yves, Lala, Zaza, Radadatoa, Carter, Depa  ary Didier Toamasina. CNC no nitantana ny taranja basikety tamin’izany fa tsy Federasiona tahaka ny ankehitriny ary Rasamimanana no nitantana azy.

Efa niatrika ny 6è CAN basket tamin’ny 1971 tany Dakar Sénégal i Mamy ary voahosotra ho mpampidy baolina betsaka indrindra nanoloana an’ilay Sénégalais Babacaré 26-23 points. Ny 1 ka hatramin’ny 5è CAN dia tsy nandray anjara i Madagasikara dia ny 7è hatramin’ny 21è koa fa ny 22è CAN 2003 indray dia “Chef de delegation” nandeha tany Alexandrie tany Egypte izy.

Lasa mpitsara i Mamy na dia tokony ho mpilalao aza tany amin’ny Lalaon’ny nosy 1985 natao tany Maurice. Mpitsara lalao mahiratra koa i Mamy Ravelomanantsoa ary ankehitriny izy dia manana ny grady “Entraîneur Niveau 2” eo amin’ny taranja basikety.

Efa nahazo fanasana nilalao tany Chine niaraka tamin’ny ekipa nasionaly Malagasy tamin’ny 1976, voaasa nilalao tany Djibouti (1983).

Ny taona 1995 no nanatanterahiny ny jaobily faha-30 taona nilalaovana ny taranja basikety nisy comité d’organisation tamin’izany ka nifankahitan’ireo mpilalao fahiny indray.

Tamin’io 1995 io ihany koa no voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara amin’ny basikety sokajy veteran.

Nahazo ny medaly volamenan’ny Univeriade 1972 tany Tanzania izy. Efa tompondakan’ny RNS Frantsa tamin’ny 2007 ary notoloran’izany RNS izany ny “Ancien Gloire” na Super Star niaraka tamin-dry Augustin Baovola sy Jean Louis Ravelomantsoa. Efa nahazo ny Tableau de Reconnaissance tamin’ny FIBA Afrique koa ary mbola mety hahazo ny mérite sportif Malagasy amin’ny manaraka.

Efa niatrika ny « Diner d’Affaires » niaraka tamin’ny Réunionais ihany koa mba hilalao any ivelany any saingy nandà nony farany. Tsy zakako teo amin’ny fiainako, hoy i Mamy, ny fieritreretana ahy ho “imbécile” noho ny hafa.

Diplaoma fianarana teny Anglisy azon’i Mamay teny amin’ny oniversite nefa asa fizahantany (Agent de voyage no nimasoany teo amin’ny fiainany)

Efa mpanazatra ny taranja volley sy basikety i Mamy tamin’ny 1994-1995 ary efa “préparateur physique” ny taranja basikety sokajy U 16 sy U 18 ihany koa.   

Manambady i Mamy Ravelomanantsoa ary niteraka 3 sy manana zafikely 11 ka tamin’ireto farany no nahitana mpandimby azy sy tia ny taranja basikety na lahy na vavy.

Adjoint ny Comité technique ny Fmbb no toerany ankehitriny rehefa lany ho mpikambana tao amin’ity rafitra ity izy.

“Amiko ny fanarahan-dalàna no zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainana, hoy i Mamy fa io no tena mitonra amin’ny fahombiazan’ny karazana olona maro sy mitondra amin’ny fahombiazan’ny fanatanjahantena koa aza. Anisan’ny hankahalan’ny olona sasany ahy anefa ny fivoizana ny fanarahan-dalàna. Amiko, tsy “Maggie” ny fahombiazana amin’ny tifi-davitra fa misy asa maro sy mafy tsy maintsy hatao hahatongavana amin’izany.

Ny taranja basketball amiko ankehitriny, hoy i Mamy namarana ny resadresaka nifanaovana taminy, dia tokony ho tsara mihitsy fa tsy maintsy kajiana tsara kosa ny fanomanana azy.

 

Nanangona sy nandrindra ny lahatsoratra : Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT