Sport

Kintan’ny Fanatanjahantena Malagasy Ratovolala Claude 50 taona niainana ny sehatry ny ady totohondry


  • Sabotsy 26 Mey 2018

Mpanao ady totohondry kalaza izay 50 taona niainana tao anatin’ity taranja ity no vahinintsika ao anatin’ny pejin’ny Kintan’ny Fanatanjahantena anio sabotsy 26 mey 2018 ka hisaorana etoana ny nanekeny niresadresaka fohy tamin’ny gazety Tia Tanindrazana nampahafantafantatra ny mikasika azy.

 

Ny fiangaliana ny taranja rugby à XV tao amin’ny klioban’ny As Ptt sy ny taranja ady totohondry tao amin’ny Bca na Boxing Club Ankadifotsy no tena nampalaza an-dRatovolala Claude na i Me Ratovolala tamin’ny ankapobeny. Tamin’ny taona 1968 ny lehilahy no niditra tao amin’ity klioban’ny Bca ary tao amin’ny sokajin-danja 51 kg na ny « Mi-mouche » no filaza azy tamin’izany. Ny taona 1969 izy dia efa voahosotra ho tompondakan’Antananarivo ary niakatra ho « novice » na sokajin-danja 54 kg avy eo ka mbola voahosotra ho « vice champion’Antananarivo » indray. Rehefa niakatra ho « vedette » dia niangaly ny sokajin-danja 57 kg na ny « plume » ary teo dia voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara im-betsaka. Marihana fa ny sokajy « Mi-mouche » sy « débutant » dia ny fiadiana ny ho tompondakan’Antananarivo ihany no azon’izy ireo atao fa ny sokajy “vedette” ihany no mahazo miatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara.

20 taona no naha mpilalao ady totohondry an-dRatovolala Claude ary tsy niala tao amin’ny klioban’ny BCA mihitsy izy tamin’izany. Mpifanandrina mavitrika taminy ry Razanakolona René sy Zozo ary ry Moïse. Tamin’ny taona 1989 no nijanonany tsy niakatra ringa intsony. 30 taona kosa izay no niofony ho mpanazatra ary tao amin’ny ekipan’ny BCA ihany ary efa nanazatra ny ekipam-pirenena malagasy ny taranja ady totohondry ny tenany ka anisan’ny efa notarihany, ohatra, ry Razanakolona Claude, Randrianjanaka Elie sy Rabenarivo Lalaina. Hatreo ihany aloha ny zava-bita notantarainy tamin’ny Tia Tanindrazana fa amin’ny fankalazana ny faha-50 taona niainany teo amin’ny sehatry ny ady totohondry hataony tsy ho ela no hampanantenany fa hamoahana ny zava-bitany rehetra.

Manambady ary niteraka vavy 1 sy lahy 4 Razanakolona Claude ka ireto farany dia samy niangaly ny ady totohondry avokoa ary efa samy voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara avokoa. Ny vavy moa tamin’ny fotoanandrony tsy mbola nisy niakatra ringa teto amintsika ka nijanona ho mpanohana fotsiny ity vavy tokany ity.

Nitondra fahafinaretana ho ahy tanteraka ny nanaovako sy nampahalaza ahy teo amin’ny taranja ady totohondry, hoy i Me Ratovolala, ary niezaka aho hatramin’izay ka hatramin’izao mba ho modely alain’ny tanora mpandimby tahaka ka rehefa mampita ny traikefa amin’izy ireo aho amin’izao dia tena miakatra eo ambony ringa mihitsy manoro an’izay tokony hatao. Mbola nitondra fahasalamana ho ahy koa ny niangaliako nanao ady totohondry sady nandrindra ihany koa ny fiaimpiainanako andavanandro. Nahafahako nifandray tamin’olona marobe ary anisany nanampy ny fahitafidirako niasa tao amin’ny Paositra Malagasy. Ny ady totohondry ihany koa no nahafahako nahita tany maro tany ivelany tany toa an’i Afrika Atsimo, Alzeria, Egypte, Maurice, Maroc, Moscou...

Ny taranja ady totohondry amin’izao fotoana izao ny fijeriko azy dia somary mihendanja kely satria tsy ampy finiavana sy fifantohana ireo tanora miangaly azy noho ny zava-misy iainana ankehitriny.

Ny torohevitra azoko hatolotra azy ireo dia ny hoe : aoka hanaraka tsara amin’ny an-tsakany sy an-davany ny toromarika homen’ny mpanazatra ianareo ary tokony hitandrin-tena fatratra mba hampateza ny « forme » ananana fa izaho izao efa 66 taona nefa mbola mpanazatra am-perinasa ary aoka hitozo tsara amin’ny fanazara-tena ara-dalàna sy tsy tapaka. Fadio ny miaraka amin’ny namana mety hitarika amin’ny fiainana tsy mendrika.

Nanangona sy nandrindra : Ntsoavina Evariste

Ratovolala Claude

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT