Hiverina kely eo amin’ny taranja basket-ball Malagasy indray ny eto amin’ny pejin’ny Kintan’ny Fanatanjahantena Malagasy eto amin’ny gazety Tia Tanindrazana anio sabotsy 12 mey 2018. Ny mpitsara tanora iraisam-pirenena Malagasy latsaky ny 40 taona eo amin’ity taranja ity, Ranaivoson Haja Maminiaina, no vahinintsika amin’izany.
Anisan’ireo mpitsara iraisam-pirenena Malagasy tanora 3 mianadahy « actifs » ankehitriny Ranaivoson Haja Maminiaina miaraka amin’i Sandratra Andrianiaina sy Yann Vezo izay any Andafy. Ranaivoson Liva Heritiana rahalahiny kosa sy Andriamandroso Andy Tiana zanaky ny mpiray tampo amin-dreniny dia tafiditra amin’ny hoe : « arbitres internationales non actifs ». Taloha mantsy dia marihana fa tsy maintsy miatrika fanadinana isaky ny 4 taona ny mpitsara iraisam-pirenena iray mba hahazoana manakilasy azy ho « arbitre actif » ary novana ho isaky ny 2 taona nanomboka tamin’ny taona 2017.
Manambady i Haja Ranaivoson fa tsy mbola niteraka ary ao anatin’ny rany mihitsy ny fitiavana ny lalao basikety fa samy mankafy an’ity taranja ity avokoa sady niangaly azy na ny rainy izay mpampianatra taranja fanatanjahantena na ny reniny izay mpampianatra ihany koa, na ireo zanaky ny mpiray tampo amin-dray sy reniny na ireo rahalahin-drainy sy ireo mpiray tampo amin’ny reniny. Raha atao bango tokana dia niaina tao anatin’ny taranja basikety tanteraka tao an-tanànan’Antsirabe ny fianakavian’i Haja Ranaivoson. Nilalao tao amin’ny klioban’ny JCSA Antsenakely Antsirabe no nanombohan’i Haja nilomano tao amin’ny taranja basikety. Ekipa izay efa im-betsaka no voahosotra ho tompondakan’i Vakinankaratra. Nitsaratsara baolina nokarakarain’ny fiangonana tao Antsirabe tao tamin’ny taona 1999-2000 no nanombohan’izy sy Andy “cousin-ny” niandraikitra ny fitsarana an’ity taranja ity ka somary an-kinafina ihany satria tsy nankasitrahan’ireo ray aman-dreniny avy, nefa dia nampirisihan’ny dadafarany izay efa mpitsara nasionaly izy ka tamin’io taona 2000 io no niatrika voalohany fiofananana ka tafavoaka ho mpitsara mpiana-draharaha.
Nanaraka antanatohatry ny fitsarana basikety
Mbola nitohy teto Antananarivo ny naha mpiana-draharaha ny tovolahy rehefa nifindra nianatra teto izy tany amin’ny taona 2001. Ny taona 2004 no nivoaka ho mpitsara rejionaly i Haja Ranaivoson. Tamin’ny taona 2006 no lasa mpitsara nasionaly, ny taona 2007 dia lasa mpitsara aty amin’ny Faritr’i Afrika (arbitre de zône) ary tamin’ny taona 2008 vao lasa ho mpitsara iraisam-pirenena taorian’ny niatrehany ny fanadinana an-tsoratra sy am-bava ary ny fampiharana sy ny antsoina hoe : “test Physique” izay niatrehana ny “Test Cooper”. Io, hoy i Haja no tena mampihintsana ny mpiatrika ny mpiadina miatrika an’ity fiakarana grady iray ity.
“Ny antony tena nisafidianako nanao mpitsara lalao basikety koa, hoy Ranaivoson Haja, dia ny tsy maintsy nifidianako an’izay hanaovako “licence” na ho mpilalao tsotra na ho mpitsara dia ity farany no nosafidiako noho ny fianarana tsy maintsy niakarako teto Iarivo ka tsy nahafahako nifantoka tamin’izay naha mpilalao ahy izay, sady efa fitiavana ny taranja koa ny tena nanaovako azy. Tamin’ny naha-mpitsara mpiana-draharaha na “stagiaire” ny tena hitako tena mafy dia mafy teo amin’ity sehatry ny fitsarana lalao basikety ity fa matetika no havelan’ny olona eo amin’ny “officiel de table” ny tena ka ela vao nahazo traikefa tamin’ny fitsofana kiririoka teny an-kianja.
Mafy dia mafy koa ny nanombohana nitsoka kiririoka voalohany fa nifangaro tao na ny “track”, na ny tahotra, na ny “pression” nahazo ny tena ary koa ny niharan’ny fanenjehan’ny olona an-kianja ara-bakiteny. Teo no nahatsapako, hoy izy, fa samy hafa ny mitsara lalao karakarain’ny fiangonana sy ny mitsara lalao amin’ny rafitra ara-panjakana”.
Fanakianana azo
“Efa fantatsika rehetra, hoy i Haja fa na any amin’ny taranja inona na any amin’ny taranja inona, dia tsy maintsy mahazo fanakianana foana ny mpitsara lalao, indrindra avy amin’ireo ekipa resy sy ny mpomba azy. Eo amin’ny taranja basikety manokana dia misy ny mpanazatra efa zatra mitabataba na maharesy ny ekipany na resy ka tsy maintsy mizatra an’izany ny tena.Tokony hanana “fair play” hatrany anefa ny rehetra indrindra ireo mpilalao fa tokony hahatsapa fa tsy maintsy misy foana ny zavatra tsy ho araka eo amin’ny fanarahana lalao tsaraina ary eo dia eo koa ny tsy fahafehezan’ny ekipa iray ny fivoaran’ny lalàna misy. Ho an’ny mpitsara lalao mantsy dia misy foana ny “recyclage” mialoha ireo fiadiana ny ho tompondaka hatrehana ireny”.
Marihana fa ny DRA no rafitra fitsarana lalao eny anivon’ny seksiona samihafa, CRA izy eo anivon’ny ligy ary CCA koa aty amin’ny federasiona. Ny mpitsara iraisam-pirenena rehetra dia mpikambana raikitra avy hatrany ao amin’ity CCA ity. Ireo rehetra ireo dia mahazo mitsara lalao basikety na aiza na aiza ary na iza na iza maka azy hatrany amin’ny fikarakarana lalao “oeuvre” aza. “Marihako etoana anefa, hoy i Haja, fa tena samy hafa mihitsy ny mitsara lalao eto Madagasikara sy fitsarana lalao any ivelany any indrindra any Eoropa izay efa ambony be ny traikefa hananan’ireo mpilalao ao anatin’ireo klioba hilalaovany sady samy hafa koa ny fanabeazana azo. Any Eoropa any dia tsy dia ahitana fanakianana mpitsara be ohatran’ny fahita aty amintsika fa rehefa vita ny lalao vao tonga manatona anao sy mila fanazavana tamin’ny fanapahan-kevitra tsy nifanandrify tamin’ny eritreriny”.
Ireo lalao iraisam-pirenena efa natrehan’i Haja Maminiaina
2009 : Nitsara ny Afrobasket Women teto Madagasikara
2013 : Nitsara ny Afrobasket U 16 mbola teto Madagasikara ihany
2014 : Nitsara ny Afrobasket U 18 teto Madagasikara
2016 : Solontenan’ny Fiba Afrika sady nitsara ny “coupe d’Europe” U 20 tany Grèce.
2017 : Nitsara ny Afrobasket U 16 tany Maurice
Efa nitsara ihany koa ny lalao CCOI teto Madagasikara ny lehilahy.
Any ivelany any dia tena mitovy lenta amin’ny fandraisana an’ireo V.I.P ireny mihitsy ny fandraisana ny mpitsara lalao iray fa manana « Vestiaire » manokana efa misy rano fisotro madio sy jus isan-kazany anaty vata fampangatsiahana.
Basikety Malagasy ankehitriny
“Ny fijeriko ny lalao basikey baolina ankehitriny, hoy Ranaivoson Haja, dia azo lazaina fa efa miakatra be haavo teknikan’ireo mpilalao. Be ny tanora efa misandratra ka efa ahitana “surprise” foana any amin’ireo “championnat” isan-karazany ankehitriny fa tsy toy ny taloha hoe : tsy maintsy ny ekipa izao sy izaroa no tsy maintsy ho tafita eo. Na izany aza dia ambarako fa mila manova toe-tsaina ny rehetra ary mila mahatanty fanakianana isan-tsokajiny.
Misy ny filazana eto am-pamaranana fa hoe be ireo mpitsara lalao samihafa no mandray vola avy amin’ireo ekipa mpifanandrina na ilay antsoina hoe kalaky mba hahazoany tohana handreseny mora ny mpifanandrina aminy. Tsy dia haiko loatra ny fahamarinan’izay fa raha ho ahy manokana aloha, dia tsy mbola nisy ekipa nanatona ahy hiroso amin’izay hatreto ary raha sanatria hisy aza dia tsy hiditra mihitsy ny tenako fa manimba “carriere” ny fidirana aminy”.
Nanangona sy nandrindra : Ntsoavina Evariste
Ranaivoson Haja Maminiaina
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.