Sport

Kintan’ny Fanatanjahantena Malagasy Rado Rakotonanahary Sady mpanamory Cross Car no mpitendry Jazz ikoizana


  • Sabotsy 02 Febroary 2019

Mbola hijanona eo amin’ny taranja « Sport Mécanique » hatrany amin'ity anio ity ny pejy manokana mahazatra anao hitaterana an’ireo Kintan’ny Fanatanjahantena Malagasy eto amin’ny gazety Tia Tanindrazana.

 

 

 Ho vahinintsika nampahafantatra nymikasika azy tamin’ny firesadresahana manokana taminy i Rado Rakotonanahary tompondakan’i Madagasikara teo amin’ny taranja Cross Car tamin’ny taona 2014 sy 2015.

Tanora tena liana tanteraka « passionné » amin’ny « Sport Mécanique » i Rado Rakotonanahary, araka ny nambarany. Talohan’ny nisafidianany niditra tao amin’ny taranja Cross Car tamin’ny taona 2014 dia efa niaina 9 taona tao anatin’ny fanamoriana Carting izy ary efa nandray anjara tamin’ny fifaninanana Carting avo lenta tany ivelany ka nahazo ny amboaran’ny hetsika RNS Carting andiany faha-33 notontosaina tany Vichy Frantsa tamin’ny taona 2008 fony izy nianatra tany. Mbola tamin’io taona io ihany koa no nahazoany laharana faha-3 tamin’ny fifaninanana Carron 2008 natao tany Frantsa ihany. Mbola nianatra ny lehilahy dia efa liana tamin’ity « Sport Mécanique » ity tamin’ny ankapobeny. Heveriko, hoy izy, fa dingana ho fampianarana hidirana amin’ny Rallye ny fanaovana Cross Car amin’ny ankapobeny ary tokony hahavita  taom-pilalaovana 2 eo amin’ity sehatra ity farafahakeliny ny mpanamory iray vao tokony hanao rallye ka efa mahita “techinique de pilotage” tsara amin’izay. Mieritreritra ny handeha lavitra amin’ity Rallye ny tenany, araka ny filazany, nefa miankina betsaka amin’ny “Budget” sy “Moyen” ary ny mpanohana izany.

Marihana fa manambady ary mananjanaka 3 (2 lahy sy vavy 1) izay samy mankafy ny manotrona azy avokoa amin’ity taranja iangaliany  ity, hany ka zary lasa fialamboly iainan’ity fianakaviana ity mihitsy aza ny mijery “Sport Mécanique” amin’ny ankapobeny sy ny manatrika an-dRado miangaly ny mozika Jazz amin’ny fiangaliana Piano. Fa sady mpanakanto ikoizana koa ny lehilahy fa efa 2 taona no nianatra Jazz tao amin’ny Conservateur tany Frantsa tany ary izy dia iray amin’ireo “Accordeur de piano” malaza eto amintsika ankehitriny ankoatra ny maha “Entrepreneur” azy amin’ny andavanandro.  Mpanamory rallye Malagasy tena ankafizin-dRado i Teddy Rahamefy  tompondaka eo amin’ny “classe T 2” fa lazainy ho mpanamory tena mahafehy an’ity taranja ity no azo lazaina fa tena “complet”, hoy izy. Hisaorana etoana ny toromarika maro nomen’ity mpanamory ity azy hatreto nefa dia tena hisaorany manokana koa ny dadatoany, Vévé Rakotonanahary izay niaraka taminy voalohany sy nampianatra azy nanamory Cross Car.

Ny teniko farany eto am-pamaranana an’ity resadresaka fohy nifanaovantsika ity, hoy i Rado Rakotonanahary, dia ny fampitana amin’ireo tanora liana amin’ny “Sport Mécanique” amin’izao fotoana fa tena fanabezana ny fitondra-tena ny fanamoriana fiara ka rehefa mihevi-tena ho mahay sy liana amin’izany dia tokony hiditra hanao fifaninanana avy hatrany.

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT