Sport

Kintan’ny Fanatanjahantena Malagasy Rabemananjara Alban na i Bàbà Fanaovana ny tsara no mahomby eo amin’ny fanatanjahantena


  • Sabotsy 24 Martsa 2018

Iray amin’ireo kintan’ny Fanatanjahantena ao an-tanànan’i Mahajanga indray no tafaresaka tamin’ny gazety Tia Tanindrazana tamin’ny fotoana nandalovana tany an-toerana farany (18 martsa 2018) dia Rabemananjara Alban mpilalao baolina kitra kalaza tamin’ny fotoanandrony ka hotaterina aminao eto ny mikasika azy, araka ny fanazavana nomeny tamin’izany.

Raha vao resaka baolina kitra no resahina ao an-tanànan’i Mahajanga ao dia mbola mby ao am-bavan’ny rehetra hatrizay nampalaza azy ireo ka hatramin’izao fotoana izao ny anaran’i Kiki sy Alban mpilalao tao amin’ny Sotema sy tao amin’ny Club M. Mpirahalahy iray tampo izy ireo ary mbola niaraka nilalao tamin’izy ireo tao amin’ny ekipan’ny Sotema Mahajanga ihany koa ny rahalahiny iray hafa dia i Sosthène. Eto am-panombohana dia tsara ihany ny manamarika fa anisan’irony olona tsy dia be resaka irony i Bàbà ka somary nananosarotra ny nahazo valim-panontaniana mazava avy taminy.

TANY MAHAJANGA

Tao amin’ny ekipan’ny Poste Mahajanga no nanombohan’i Bàbà nilalao teo amin’ny rafitra nasionaly tamin’ny taona 1972. Niala tao amin’ity klioba ity izy dia niditra tao amin’ny ekipan’ny Sotema Mahajanga (1973-1984). Ny taona 1984-1985 dia nilalao tao amin’ny ekipan’ny Maitsovolo tany Fianarantsoa. Niverina nilalao tany Mahajanga indray tamin’io taona 1985 io saingy niditra tao amin’ny FCO na Fortior Mahajanga kosa. Dia mbola nifindra tany amin’ny ekipan’ny Sirama Namakia tamin’io  taona 1985 io ihany ary tao amin’ity orinasa ity ny lehilahy no lasa ho mpisotro ronono sy nijanona tamin’ny filalaovana baolina kitra teo amin’ny sokajy Sénior ihany koa tamin’ny taona 2005. Efa niandraikitra ny fitantanana sy fikojana ny kianja sentetikan’i Mahajanga i Alban tamin’ny taona 2017 ary mbola mijanona amin’ny fikojakojana ity kianja ity izy ankehitriny rehefa lasan’ny kaominin’i Mahajanga ny fiandraiketana manontolo ny fikarakarana azy.

Manambady i Alban ary manan-janaka 11 izay tsy dia nisy niraika tamin’ny lalao baolina kitra fa vehivavy avokoa fa ny zanak’i Sosthène rahalahiny, i Praxis  no nandimby azy nilalao tao amin’ny ekipa nasionaly Malagasy.

Zana-dRabemananjara Alexis ilay mitondra ny anaran’ny kianja monisipalin’i Mahajanga i Kiki sy Alban ary efa hatramin’ny fony kely, hoy ny olona iray nijoro vavolombelona tao amin’ity kianja ity, izy ireo no efa niara-nilalao niaraka hatrany ary tsy nisaraka mihitsy hatraty amin’ny fifaninanana Sénior  natrehan’izy ireo. Toy ny rano sy vary raha i Kiki sy Alban, hoy ity vavolombelona ity, ka toy ny tsy teo i Kiki raha tsy teo i Alban sy ny miako amin’izay koa. Tsy mba anisan’irony mpirahalahy iraitampo mifandramatra lava irony izy mirahalahy ireto, araka ilay fiteny mahazatra hoe : « zaza mifanarakaraka », fa nifanara-tsaina tanteraka tokoa, indrindra teo amin’ny sehatry ny filalaovana baolina kitra.  « Mitovy hevitra foana izahay mirahalahy amin’ny fomba filalaovana baolina hatrany amin’ny klioba nisy anay ka hatrany amin’ny ekipa voafantin’i Mahajanga sy tany amin’ny Club M niarahana, hoy i Bàbà, ary tena niray saina tokoa fa samy malaza. Na izany aza dia mitovy amin’ireny mpilalao kalaza rehetra ireny ihany izahay. Na dia nipitipitika teo amin’ny lohalarana aza izahay mirahalahy, hoy i Bàba, dia natahorana daholo ihany ireo mpilalao vodilaharana nifanandrina taminay ».

MANAOVA ZAVATRA TSARA

Raha ity filalaovana baolina kitra ity, hoy Rabemanjara Alban, dia efa saika nahitako an’i Afrika manontolo. Nahazoako vola koa izy ary nahazoako asa fivelomana ihany koa.

Raha ny fijeriko ny mpilalao baolina kitra tanora ankehitriny dia tokony hahavita ny mihoatra lavitra ny vitanay taloha satria efa afaka manaraka an-tsary amin’ny fahitalavitra  an’ireny mpilalao kalaza maneran-tany ireny sy ny fivoaran’ny lalaon’ireo klioba misy azy ireo saingy tsy ampy ny fitiavana baolina kitra eo amin’ireo tanora Malagasy ireo.

Ny hafatra hatsipiko ho an’ireo zandry zanaka milalao ity baolina kitra ity dia ny hoe :  « Manaova zavatra tsara dia ho hitan’ireo raiamandreny isan-tsokajiny  eo ny atao aminao » ary ho avy ho azy ny fahombiazana.

 

Ntsoavina Evariste


 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT