Sport

Kintan’ny Fanatanjahantena Malagasy Menakely Ruphin Sady lalao no asa ny fanaovana fanatanjahantena


  • Sabotsy 19 Mey 2018

Hiverina eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra ny pejin’ny Kintan’ny Fanatanjahantena Malagasy eto amin’ny gazety Tia Tanindrazana anio sabotsy 19 mey ka hampahafantatra misimisy kokoa ny amin’ny mpanao baolina Menakely Ruphin isika, araka ny tafatafa nifanaovana taminy.

Tany amin’ny ekipan’ny Kohinor Antsiranana tamin’ny taona 1993-1994 no nanombohan’i Menakely Ruphin nilalao baolina tao anaty rafitra ara-dalàna raha vao 17 taona monja izy na dia efa niakatra kianja teny anivon’ny sekoly sy tao amin’ny ekipan’ny Zanak’Avaratra niady ny Amboaran’ny filoha Ratsiraka ihany aza tamin’ny taona 1990 ary lohalaharana hatrany no toerany.

Tamin’io taona 1994 io, raha nilalao 4-bolana tao amin’ny ekipan’ny Sotema Mahajanga niaraka tamin’ny mpanazatra Sammy Jo ny lehilahy, dia voaantso tao amin’ny Club M na ekipam-pirenena Malagasy tamin’ny fotoanandrony niaraka tamin-dry Hary, Claude kely, Rado kely, Mosa Fabrice, Dominique …

Nifindra tany amin’ny nosy La Réunion ka nilalao tao amin’ny ekipan’ny Ste Suzanne Bagatelle sokajy D-2 avy eo izy ary nilalao tao nandritra ny 3 taona nefa tamin’izany dia voaantso hatrany hanatevin-daharana ny ekipam-pirenena Malagasy latsaky ny 23 taona niatrika ny andiany faha-3 tamin’ny Lalaon’ny Frankofonia natao teto Madagascar. Tamin’io faha-23 taonany io ihany dia voaantso tao amin’ny Scorpion de Madagascar notantanan’i Ntsoa sy Hans Heiniger. ary Lanziz sy Me Abdou rainy i Menakely Ruphin. Mbola niaraka taminy daholo ireo mpilalao voatanisa tery aloha niampy an’i Nantal.

Ireo klioba nilalaovany tany La Réunion

Tao amin’ny Ste Suzanne 3 taona, As Excelsior St Joseph  nandritra ny 7 taona,  As Chaudron 2 taona, St Denis 1 taona.  Niverina tao amin’ny As Excelsior indray 1 taona ary tao amin’ny Capricorne 1 taona. Raha atotaly izany dia nandritra ny 14 taona naninjitra i Menakely Ruphin no nilalao baolina tao amin’ny nosy La Réunion ary saika nilalao tany amin’ny ekipan’i Lens tany Frantsa ihany koa izy nefa tsy nahomby ny “test” natao noho ny antontan-taratasy tsy feno ka niverina nilalao tany La Réunion indray ny lehilahy.

Efa in-7 voahosotra ho mpampidi-baolina be indrindra tany La Réunion ny tenako, hoy i Menakely, ary mbola tsy nahazo karatra mena izany nandritra ny 17 taona nilalaovako baolina kitra fa nahatratra 14 kosa ny karatra mavo efa azoko. Indray mandeha monja ny tenako, tamin’ny 2004, no nitondra ny “brassard” maha kapitenin’ny ekipa nasionaly Malagasy ahy raha nihaona tamin’i Namibie teo Mahamasina fa tsy dia tiako loatra ny nisalotra izany anarana kapiteny izany. Tamin’ny taona 2005 aho no nijanona tsy nilalao tao amin’ny ekipa nasionaly intsony.   

 

3 taona  nisesy nitondra  ekipa niatrika lalao Afrikanina

Niofo ho mpanazatra nanomboka tamin’ny taona 2016 i Menakely Ruphin ka 3 taona nisesy dia nitondra ekipa nisolotena an’i Madagasikara niatrika ny lalao Afrikanina hatrany tamin’ny taona  2015 dia nitondra ny As Adema tany Zimbabwé, ny taona 2016 dia nitondra ny Elgeco Plus tany Afrika Atsimo ary ny taona 2017 dia  nitondra ny Som Fosa Juniors Boeny tany Kenya, Afrika Atsimo ary tany Ghana. Tamin’izaho mbola mpilalao dia nahafinaritra ahy ny nilalao teo amin’ny kianjan’i Mahamsina fa afaka nanome fahafaham-po ny mpijery baolina Malagasy aho  fa tiako ny nanindraindra ny ekipako sy ny fireneko tamin’izany. Tany La Réunion kosa dia tsy maintsy nifantoka tsara ny sainao fa sady mpila ravinahitra ianao no mpilalao mandray vola ihany koa ka mila manome vokatra tsara.

 

Fijeriny ny kitra Malagasy ankehitriny

Tato ho ato dia hitako fa manomboka miverimberina ny fahombiazan’ny baolina kitra Malagasy fa manomboka mifoha amin’ny torimasony ireo tanora ka miakatra tsikelikely ny fahombiazana. Na izany aza dia tokony hampianatra tsara an’ireo mpilalaony ireo mpanazatra toa ahy. Tena mampiseho sy mampita ary manao fampiharana miaraka amin’izy ireo ka atao hita maso ireo zavatra atoro azy. Raha hanofana ny ekipan’ny Barean’i Madagasikara dia tsy handà izany aho nefa aleo aloha milamina fa vao 43  taona monja ny tenako ankehitriny, mbola misy ireo zokibe maro manana traikefa lavitra noho izaho. Izaho mbola vonona ny hianatra sy hampitombo hatrany ny traikefako aloha.

Tamin’ny ankapobeny dia tena nanampy ahy teo amin’ny fiainako ny nilalaovako baolina kitra, hoy i Menakely Ruphin, fa sady milalao no mahazo vola ihany koa fa efa asa mampifikitra amiko izy io. Nahitako tany maro koa ny nilomanosana tamin’ny baolina kitra, dia i Afrika Atsimo, Kenya, Namibie, Gabon, Mozambique, Nigeria, Egypte, Tunisie, Seychelles, Maurice, Zimbabwé, Ghana ary Frantsa.

Hafatra ho an’ny rehetra

Raha misy zaza na ray aman-dreny te hifampiresaka amiko ka hangataka torohevitra amin’ny filalaovana baolina kitra dia afaka manatona ahy mivantana izy ireo fa vonona ny hampianatra azy ireo ny tenako ary vonona ihany koa hampita ny traikefa hananako hibanjinana avoavo kokoa miaraka ny  fandrosoan’ny kitra Malagasy.

Marihina fa manambady ary niteraka lahy iray, Menakely Ricardo, i Menakely Ruphin izay teraka tany La Réunion ary milalao ao amin’ny ekipan’ny Fosa Juniors Tanà ankehitriny ka arahiny maso sy tarihany fatratra eo amin’izay filalaovany baolina izay. Dia ho hita eo fa tena kinendriny ny handehanan’io zanany io lavitra eo amin’ity sehatry ny baolina kitra ity.

 

Nanangona sy nandrindra : Ntsoavina Evariste


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT