Sport

Kintan’ny Fanatanjahantena Malagasy LANZIZY Talenta voajanahary ny filalaovana baolina kitra ho anay


  • Sabotsy 24 Febroary 2018

Nanararaotra ny dia notanterahina tany Mahajanga izahay eto amin’ny Tia Tanindrazana ka nanararaotra nitafatafa tamin’ny Kintan’ny baolina kitra iray nalaza tamin’ny fotoanandrony tany an-toerana ary dia hisaorana azy indrindra etoana ny nanekeny niroso tamin’izany dinika ho fampahafantarana azy bebe kokoa izany

 

.

 

Kintan’ny lalao baolina kitra iray nalaza tamin’ny taona 70 tany i LANZIZY izay nanomboka nilalao baolina tany an-tanànan’i Nosy be Hellville tany tao amin’ny klioban’i Racing tamin’ny taona 1965 ary nifindra tao amin’ny klioban’ny Sotema Mahajanga tamin’ny taona 1971. Efa nalaza tamin’ny fahaizany milalao an’ity baolina kitra ity hatrany am-pianarana i Lanzizy fony izy mbola mpianatra ka ny poste 10 no tena toerana notazoniny tamin’izany. Tafiditra tao amin’ny ekipam-pirenena Malagasin’ny baolina kitra izy nanomboka tamin’ny taona 1970 ary niara-nilalao niaraka tamin-dry Ignace kapitenin-dry zareo tamin’izany, ry Rasoanaivo, Voaja, Claude Rasamy, Lala Toamasina sy ry Sens Interdit mpiandry harato, ry Augustin Baovola sy ry Bevoav, ry René kely … dia tamin-dry Kiki sy Alban taty amin’ny Sotema ihany koa. Nanaraka « stage d’entraîneur » tamin’ny taona 1982 rehefa nanapakevitra ny hijanona tsy ho mpilalao intsony ary dia lasa mpanazatra ny klioban’ny Sotema avy eo sy ny klioban’i Namakia ary koa nitondra ny Club M taty afara. Ankehitriny dia mbola mpanazatran’ny klioba Boeny Formation any Mahajanga ny tenany.

 

Nanokatra varavarana maro

“Nahazoako nifandray tamin’olona maro ny nahakalaza ahy tamin’ny baolina kitra, hoy i Lanzizy, sady nahafahako nanana fitondran-tena matotra teo amin’ny fiainana no koa nahazoako nahita firenena maro naneran-tany. Efa tany Zambia aho, tany Zimbabwe, tany Kenya, Swaziland, Johannesburg, Rdc sns… raha tsy hitanisa afa-tsy ireo isika. Tsy mba nieritreritra zavatra hafa afa-tsy ny baolina kitra aho tamin’izaho efa matoy ary tsoriko fa tsy nahita an’ireo tany maro ireo raha tsy tamin’ny alalan’ny baolina kitra”. Manambady ny lehilahy ary niteraka zazavavy 2 sy zazalahy 1, Yaheg, izay tena nandimby an-drainy fa mpilalao baolina kitra kalaza niaraka tamin-dry Gariste tao amin’ny Ravinala sy efa anisan’ireo nantsoina ho tao anatin’ny ekipam-pirenen’ny baolina kitra Malagasy ihany koa nifandona tamin’ny Côte d’Ivoire tamin’ny fotoanandrony.

Ambarako etoana, hoy i Lanzizy, fa izany hoe fihaonan’ny ekipan’ny Fortior Club de la Côte Ouest sy ny ekipan’ny Sotema izany tamin’ny andronay dia tena  mipetraka ho tantara tsy hay vonoina eo amin’ny baolina kitra aty Mahajanga. Tsy hoe mifandrafy araka ny fiheveran’ny maro azy tsy akory ireo mpilalao tao anatin’ireto ekipa roa ireto fa tena nifaninanana tao anatin’ny fahombiazana tanteraka, porofon’izany niaraka ihany izahay roa tonta tao anatin’ny ekipa voafantin’i Mahajanga taranja baolina kitra.

 

Adinon’ny fanjakana

“Ny mampalahelo eto amin’ity firentsika ity dia tsy mba jeren’ny fanjakana akaiky mihitsy ny fiainan’ireo nahavita be teo amin’ny sehatry ny baolina kitra, hoy i Lanzizy. Tsy mba nisy tetikasa mazava nijerena manokana azy ireo.

Izahay taloha dia tena nanana talenta marina tokoa na dia tsy mba nanana an’izany mpanazatra izany aza nefa ankehitriny be ny mpanazatra sady tena mahay fa vao mainka mitotongana foana ny baolina kitra Malagasy fa tsy azoko ? Tsy hoe tsy mahay ireo mpilalao fa tsy ampy finiavana ireo boaikely taty afara ka hafatra ho azy ireo ny hoe : “mba manana hambom-po tanteraka fa efa miaina sy mikarama amin’ny baolina kitra ianareo izao.

 

 

Nanangona sy nandrindra ny lahatsoratra : Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT