Sport

Kintan’ny Fanatanjahantena Malagasy José Rakotoharison Nampiova ny fitondran-tenako ny Rugby


  • Sabotsy 10 Febroary 2018

Ny mpilalao taranja rugby à XV malaza eto amin’ny tanàna sady reharehan’ity taranja ity hatrany ampitan-dranomasina any no vahinin’ny Kintan’ny Fanatanjahantena eto amin’ny Tia Tanindrazana anio sabotsy 10 febroary 2018.


Mananika ny faha-40 taonany ankehitriny ilay kalaza sady reharehan’ny taranja rugby à XV Malagasy, José Rakotoharison na i José no ahafantaran’ny rehetra azy. Manambady ara-dalàna ary niteraka mianadahy 14 sy 11 taona izay samy mankafy an’ity taranja ity daholo ihany koa. Ny lahikely izay zandriny no tena mifototra amin’ny taranja handimby an-drainy atsy ho atsy ka efa miditra any amin’ny Ecole de rugby mihitsy.  Tamin’ny taona 1999 tao amin’ny sokajy junior no nanombohan’i José niangaly an’ity taranja maminy ity. Tao amin’ny fileovana FITAMIBA Behoririka no nanombohany an’izany. Nandalo kely 1 taona tao amin’ny SYMPA Itaosy izy avy eo vao niditra tao amin’ny fileovana 3FB mandrak’izao ary efa feno 18 taona izao izy no tao amin’ity ekipa ity. Lova avy amin’ny dadabenay sy ny rainay ny filalaovana rugby. Nalaza izany Ranaivobanga dadabenay izany, hoy i José. 5 mirahalahy izahay no iraitampo ka izahay 4 mirahalahy zandriny dia samy milalao ao amin’ny 3FB avokoa fa ny lahimatoanay no milalao eny Tanandrano eny. Tahaka ny fifandraisan’ny mpirahalahy mahazatra rehetra dia misy ny fifandonana kely eo aminay 4 mirahalahy nefa tsy maintsy hampanjakana ihany ny fifandeferana amin’ny ankapobeny.

 

Tompondaka eran-tany

 

Nisalotra ny anaram-boninahitra Champion du monde junior niaraka tamin’ny Makis zandriny izy tamin’ny taona 1999 ary nisalotra ihany koa ny anaram-boninahitra Champion d’Afrique sy tompondakan’ny Oseana Indiana niaraka tamin’ny Makis sy 3FB. Tamin’ny taona 2000 izy no voatendry ho kapitenin’ny ekipan’ny 3FB ary tamin’ny 2005 kosa no nitondrany ny “brassard” an’ny Makis. Na dia hita talakimaso sy nisongadina tetsy amin’ny kianja Makis aza ny sariko, hoy i José, dia tsy hoe ahy akory ity kianja ity na mitondra ny anarako fa dokambarotra napetraky ny orinasa Orange Madagascar teo fotsiny izy iny.

 

Tsotra, matanjaka ara-tsaina

 

Nahitako soa ny nampalaza ahy teo amin’ny sehatry ny rugby, hoy ihany i José fa nahafahako niditra ho mpiasam-panjakana. Tsy hieboeboako mihitsy anefa ny lazako eo amin’ity taranja ity fa ezahako hoentina hampiakarana ny talenta ananako mba hotarafin’ny ankizy any afara. Sady talenta nananako manokana no nianarana ihany koa tamin’ny alalan’ny fanaovana fanazarantena tsy tapaka ary tonga mialoha noho ny rehetra mihitsy mianatra azy ny fitsarana baolina sy fanaovana drop mampalaza ahy. Na dia izany aza, matetika mba misy tsy fahombiazana azo amin’io fitsaram-baolina io amin’ny antsoin’ny vazaha hoe “passage à vide” izay tsy atao mahakivy fa fomba fiainana ihany. Ny 90 %-nay mpilalao ao amin’ny 3Fb dia saika mpiasan’ny hopitaly daholo ary samy mahatsapa fa tena mahafinaritra ny fifandraisan’ny samy mpilalao ao amin’ity ekipa ity, indrindra tamin’ny fahavelon’i L’avant bras fa tena noraisiny ohatra ny zanaka naterany izahay rehetra. Izaho moa dia nametrahany hafatra manokana mihitsy mialoha ny nahafatesany nanao hoe : “jereo tsara ity klioba ity fa ialahy no hiankinany any aoriana”.

 

 

 

Tsiaro tsara ho ahy teo amin’ny fiangaliana rugby dia ny nahavoahosotra anay ho tompondaka eran-tany junior tany Suisse tamin’ny 1999. Feno 19 taona aho tamin’izany sy ny nahavoahosotra anay Makis ho tompondakan’i Afrika tamin’ny taona 2012 rehefa nandresy an’i Namibie. Ny tsiaro ratsy indrindra kosa dia ny namontsanan’i Namibie 112-00 tany aminy tamin’ny taona 2002.Nisy fotoana (2003-2006) aho tafiditra nanao baolina tao amin’ny ekipan’ny Chateaux-Renard tany Frantsa dia nivezivezy teo nefa tsy notohizako ilay izy noho ny tsy fitovian-kevitra teo amiko sy mpitantana an’ity ekipa ity sady tsaroako nisy fanavakavaham-bolonkoditra koa tao anatiny dia tsy niverina tany intsony aho.

Raha ny fijeriko ny lalao rugby ankehitriny eto amintsika dia manam-batana sady efa voky traikefa ireo mpilalao zokiny raha oharina amin’ireo mpilalao zandriny mpandimby aty afara izay somary kelikely vatana nefa kingakinga. Rehefa milalao amin’ireny vahiny somary lehibebe vatana ireny dia mila hamboniana ny toe-tsaina ary mila hamafisina ny miatrika ny lalao.

 

Aleo mifampiresaka

 

Raha ny mahakasika ny disadisa misy eo amin’ny fitantanana ny rugby indray no asian-teny, hoy i José, dia heveriko fa efa mba ampy izay herintaona nifandirana izay. Efa mijaly ireo ankizy milalao noho ny afitsoky ny lehibe. Amiko, tsy misy tsy vitan’ny resaka hifanaovana ny famahana ny olana misy.Raha atao bango tokana, nampiova ny fiainako ankapobeny sy teo amin’ny fitondran-tenako ny fanatanjahantena sady nahitako tany betsaka maneran-tany ihany koa. Hiraisako feo amin’ireo atleta namako marobe ny tokony hijeren’ny fanjakana an’ireo nahavita be teto amin’ny firenena fa efa betsaka ireo mampalahelo amin’ny fivariana lavo.

Ho an’ireo ankizy aty afara dia manafatra aho hoe : “Tiavo ny rugby dia aza atao haitraitra ka mijanona an-tenatenany fa ataovy hatramin’ny farany”.

 

 

Nanangona sy nandrindra ny lahatsoratra : Ntsoavina Evariste

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT