Ilay mpanamory fiarakodia fanta-daza amin’ny fanaovana rallye eto amintsika ary anisan’izay nankafizin’ny mpijery an’ity taranja ity tanteraka ka nahafeno mpijery tokoa rehefa miaka-tsehatra no vahinintsika ato anatin’ity pejin’ny Kintan’ny Fanatanjahantena Malagasy anio.
Nanomboka ny taona 1985
Somary niato kely tamin’ny rallye tamin’ny taona 2007,2008, 2009 noho ny fihemoran’ireo Sponsors tamin’izany fotoandro izany ka nahasahirana ara-bola nefa ny tena, hoy izy, tsy afaka ny handany volabe amin’ny filalaovana rallye fa aleo hikarakarana fianakaviana ny vola. Manambady ary mananjanaka roa (vavy 21 taona sy lahy 15 taona) i Joda izay ankizy tena tia fiara sy tia mitondra fiara tokoa nefa tsy mba namporisihany hiatrika ny fifaninanana nataon-drainy fa naleony nilofo betsaka amin’ny fianarana. Efa anisan’ireo mpanao fanatanjahantena voahosotra ho “Sportif de l’année” nokarakarain’ny Ma-TV ary ny “trophée Ma-Hery” ihany koa. Tamin’ny taona 1985 izy no nanomboka nanao rallye voalohany dia ny rallye de l’amitié izay nitondrany ny fiara Opel Ascona 400 tamin’izany. Efa in-5 ihany koa i Joda no voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara tamin’ny “course de côte” sy ny “slalom” Marihana koa anefa fa tsy latsaky ny in’enina ity mpanamory kalaza ity no niharan’izany fivoahana ny lalana na “sortie de route” amin’ny rallye izany.
Ny sekoly Esca Antanimena, St Michel Amparibe, Stella Marris Toamasina ary ny Lycée technique Ampefiloha no toerana nanovozany fianarana ka ny taranja atletisma no niangaliany tamin’izany ary ilay kintan’ny hazakazaka Malagasy Jean Louis Ravelomantsoa no tena nankafiziny. Niangaly ny taranja handball ihany koa izy tamin’izany mbola nianatra izany.
Mpitangi-tsoavaly
Fa ny taranja tena nanombohan’ny nampalaza an’i Joda dia ny fitaingenan-tsoavaly na jockey tetsy Mahamasina tamin’ny taona 1970 ka nandraisany anjara tamin’ny Tiercé tamin’ny fotoanandrony. Lova nolovainy tamin’ny dadabeny, Emile Ranarivelo ilay mitondra ny lalana malaza etsy Behoririka, izay mpitaingin-tsoavaly voalohany teto Madagasikara io fankafizana fitaingenan-tsoavaly io ary tena nampalaza azy tokoa nefa noho ny fandraran’ny ray aman-dreniny azy dia vetivety dia lefa izany lazany teo amin’ny fitaingenan-tsoavaly izany. Izy koa lasa nanohy ny fianarany tany Andafy ka voatery najonony mihitsy aloha io taranja io ka dia nahazo ny diplaoma “Ingéniorat agro-alimentaire spécialité viande” nefa noho ny tsy fifankazahoan-kevitra tamin’ny mpitondra tamin’ny fotoanandrony dia ny asana fivarotana “matériels informatiques” no nofinidin’i Joda natao tany amboalohany ary ankehitriny dia ny asana “agent immobilier” no hifotorany. Avy amin’ny dadatoany , Eugène Ranarivelo izay kalaza niaraka tamin-dry Andriantsitohaina David, kosa no nandovany ny resaka fanaovana rallye ka rehefa tafaverina avy any izy io nanomboka nanao rallye io izay taranja tena nankamamiany tokoa fa efa niriany hatramin’ny fony fahakely ary tamin’izany izy dia efa nieritreritra fa tsy maintsy ho lasa “pilote professionnel” ary dia tena tanteraka tokoa izany. Nisy fotoana koa anefa nandalovako teo amin’ny sehatry ny filalaovana tenisy Malagasy ary niara-nilalaovako tamin-dry Augustin sns…, hoy i Joda ary tafiditra teo anivon’ny “staff”-n’ny Coupe Davis mihitsy aza aho noho ny toe-tsaina vonona handresy lava nentiko tamin’izany. Miangaly ny taranja kick boxing miaraka amin’ny maître iray aho ankehitriny ary manao “sky nautique” miaraka amin’ny fianakaviana ihany koa any am-panaovana “vacances”.
Tia fanatanjahantena
Tena hankamamiako ny fanaovana fanatanjahantena na dia tsy manana “gabarit sportif” aza aho, ka na dia amin’izao fotoana izao aza aho dia mbola tsy mitsahatra manao fanatanjahantena mihitsy. Hanana tombontsoa lehibe ny fanananana laza eo amin’ny fanaovana spaoro fa mora kokoa amin’ny tena ny fifandraisana aman’olona sy mangataka “service” aminy. Rehefa malaza loatra koa anefa dia misy tsininy kely ihany satria ao anatin’ny fotoana tena mahavizana anao ka tokony mba hialnao sasatra no tsy avelan’ny olona mihitsy ianao fa tangizitiny lava eo.Anisan’ny hetsika goavana nalaza nandrasako anjara tamin’ny taona 1995 dia ny nanaovana “tournage publicitaire Sodiama” teny Ankatso izay nampidelira olona maro tokoa. “Efa ho 4 taona ny tenako no tsy niaka-tsehatra nandray anjara tamin’ny fifaninanana rallye teto amintsika intsony, hoy I Joda ka ny nahatonga ahy nisintaka kely dia leo aho. Tsy hoe leo ny mitondra fiara na leo ny rallye fa eo amin’ny “ambiance générale” mihitsy no mahatofoka ahy. Tsy fantatry ny olona loatra fa hatramin’izay nanaovako rallye an-taonany maro izay dia tsy maintsy misy olona mitady disadisa amiko. Ny an’ny Malagasy rehefa tafita ianao dia tsy maintsy misy olona misarika hidina ambany fa tsy mba mieritreritra ny hanao ny tsara noho izay vitan’ny tena. Tsoriko fa ohatry ny nahazo rivotra madio izany aho rehefa nijanona tamin’ny rallye”. Nanontaniana nivantana i Joda raha mbola misy faniriany hiverina hanao rallye indray atsy ho atsy. Nazava ny valin-teny nomeny : “Raha miverina amin’ny fifaninanana aho dia tsy maintsy mikatsaka ny tsaratsara kokoa hatrany noho ny nataoko teo aloha. Tsy maintsy fiara tena tsara sy raitra mifanaraka amin’ny toetrandro no hoentiko na farafaharatsiny fiara tsara noho ny nentiko teo aloha ary ny tena takiako kosa amin’izay mety hiverenako izany ny fisian’ny “ambiance” tsara eo amin’ny tontolon’ny fanaovana rallye Malagasy”.
Zava-bita ihany aloha
Ny olona tena tompon-daka amiko, hoy i Joda, dia olona tsy tokony hieboebo sy mizahozaho ho tena mahavita fa tokony ho ny olona ety ivelany ihany no hametra ny maha-izy azy azy. Anisan’ireo notolorana ny mariboninahitra “ordre de mérite sportif” ny tenako tamin’ny roa taona lasa nefa heveriko fa tsy tena voninahitra izany fa tsy mametraka ny tena ny soatoavina tamin’ireo zava-bita na “palmarès” azoko nefa tsy azo nolavina fa ny Repoblika no nanome azy. Efa nasiana nikarakara antontan-taratasy ny tenako ankehitriny hanolorana ho ahy ny “Chevalier de l’ordre national” atsy ho atsy izay tsy azo holavina ihany koa nefa mbola hapetrako hatrany izay fametrahana amin’ny toerany ny “palmarès” azoko izay, hoy i Joda.
Nanangona sy nandrindra ny lahatsoratra : Ntsoavina Evariste
Jean Yves Ranarivelo na i Joda
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.