Sport

Kintan’ny Fanatanjahantena Malagasy Ireo sangany tamin’ity taona 2017 ity


  • Zoma 22 Desambra 2017

Hiavaka kely ny pejin’ny kintan’ny fanatanjahantena Malagasy anio zoma 22 desambra 2017 satria dia ireo sangany nandrombaka medaly sy amboara erantany sy aty amin’ny kaontinanta afrikanina no hasehontsika an-tsary etoana.


 

Tamin’ny sabotsy 11 martsa 2017 dia voahosotra ho tompondaka erantany fanindroany teo amin’ny taranja « Boxe arabe pro » ilay kintan’ny fanatanjahantena Malagasy, Johane Beauséjour mpilalao avy any Antalaha rehefa nandresy tamin’ny K.O an’ilay teratany Slovaque Vladmir Konsky tao amin’ny ringan’i Sport City any Amman Joradanie.

Johan Beauséjour

 

Ny 29 oktobra tany Carrara Italie dia voahosotra ho tompondaka fanim-balony eo amin’ny taranja Boxe chinoise Lai Tei sy Kick Full latsaky ny 75 kg ilay Malagasy Jean-Christian Randriamalaza ary dia azony tanteraka ny « ceinture mondiale » amin’ity taranja ity tamin’izany. Teratany Iraniana iray no resiny teo amin’ny lalao famaranana.

Jean Christian Randriamalaza

 

Nandresy an’ireo kalaza Frantsay, Théo Ballière, Maxime Charrier, Jeremy Gelin ary i Adrien Delahaye tamin’ny 13-9 tany Kaihua tany Chine ny 8 novambra 2017 teo ireo mpilalao Malagasy, Anjarasoa Ravohitrarivo, Fitahiana Andriamanda, Fifaliana Tendry ary i Jean François Rakotodrainibe ka voahosotra ho tompondaka erantany 2017 amin’ny taranja tsipy kanetibe « Junior ».

Mpilalao tsipy kanetibe « junior » Malagasy

 

Tany Kaihua any Chine ihany saingy ny sabotsy 11 novambra 2017 kosa dia voahosotra ho tompondaka erantany lefitra ny mpilalao tsipy kanetibe vehivavy Malagasy nahitana an’i Mirana-Hasina-Cicine-Tita rehefa niondrika teo anoloan’ireo Frantsay vavy Maillard-Bourriaud-Darodes-Colombet tamin’ny isa (6-13).

Tsipy kanetibe vehivavy Malagasy

Voahosotra ho tompondakan’i Afrika 2017 ny sabotsy 9 septambra 2017 tany Tunis ny mpilalao tsipy kanetibe Malagasy Yves Andrianomenja­nahary na Donga, Toni­tsihoarana Ulricha na Toutoune ary i Maminirina Ramanantsoavina na  Glou sy Haja Rafanomezantsoa na   Ny Havana rehefa nandresy an-taniny ny  Toniziana tamin’ny isa  13-7. Voahosotra ho tompondakan’i Afrika tamin’ny fifaninanana « tir de précision » niaraka tamin’izany koa i Toutoune rehefa nandresy an’ilay teratany Toniziana, Bougriba tamin’ny isa 45-40.

Tsipy kanetibe Toutoune sy ny namany

 

Ny 9 desambra 2017 teo tany Gizeh any Egypte dia voahosotra ho tompondakan’i Afrika 2017 teo amin’ny taranja Echecs sokajy latsaky ny 16 taona ny tanora Malagasy Milanto Harifidy rehefa nandavo an’ilay Egypsiana, Kandil Adham tamin’ny fahazoana isa 9/9 tamin’ny fidirana in-9 nifanaovan’izy ireo. Isa 6,5 no azon’ity mpifanandrina taminy. Teratany « Algérien, Angolais, Egyptien, Kenyan, Lybien, Marocain, Namibien, Africain du Sud, Tunisien, Ougandais ary Zambien no nandray anjara tamin’ny fifaninanana niaraka tamin’ny Malagasy.

Milanto Harifidy Echecs

Nanangona sy nandrindra i Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT