Sport

Kintan’ny Fanatanjahantena Malagasy Ireo mpitantana Malagasy Samy manana ny fomba sy fisainany avy


  • Zoma 29 Desambra 2017

Misy amin’ireo mpitantana rafitra fanatanjahantena Malagasy no azo ambara fa nitondra avo koa ny voninahi-pirenena tamin’ny nahalany azy ireo hitantana rafitra aty Afrika na iraisam-pirenena mihitsy.

Tao  ireo namoy avy hatrany ny toerana notazoniny teto Madagasikara ka namonjy avy hatrany ny toerana sahaza azy any amin’ny firenen-kafa nefa ao ihany koa ireo manao boloky lahy homam-boantseva sady mamy ny atsy no fy ny aroa araka ny fitenenana Malagasy.

 

 

Ntsay Abel

 

Raha vao lanin’ireo filohan’ny federasion’ny basikety miisa 5 (Maurice, Seychelles, Comores, Djibouti ary i Madagascar) ho filohan’ny faritra faha-7 aty Afrika eo amin’ity taranja ity ny lehilahy ny 24 mey 2007 dia nametra-pialana tsy ho filohan’ny Federasion’ny basikety Malagasy intsony taorian’izay. “Nanome voninahitra an’i Madagasikara izany fitokisana napetraka tamiko, hoy izy, hoentina hampiroboroboana ny basikety aty amin’ity faritra faha-7 ity. Matoky an’ireo ekipa niaraka tamiko tao amin’ny FMBB aho amin’ny fanohizana ny asa fa efa napetrako tao ny fiaraha-misan’ny rehetra”.


 

Ahmad

Voafidy ho filohan’ny CAF na Confédération Africaine de Foot-ball izy ny 16 martsa 2017 dia rehefa nahatanteraka ny fanambiny hitantana ny FMF ao anatin’ny taom-piasana telo dia nametra-pialana tsy ho filohan’izany FMF izany intsony ary tsy ho Loholon’i Madagasikara toerana nosahininy teto Madagasikara ihany koa fa lasa namonjy ny toeram-piasany vaovao any Le Caire any Egypte. “Hiara-kiasa amin’izay ho filohan’ny FMF vaovao tena hisolo ahy ho avy aho, hoy Atoa Ahmad, ary hinoako fa hanohana ahy amin’ny CAF misy ahy izy”.  Nomeny voninahitra ny fanendrena ireo Malagasy hiara-kiasa aminy ao amin’io toerana tantanany io toa an’i Ludovic Lomotsy sy Rakotomalala Stanislas ary ny mpiara-miombon’antoka, Patrick Pisal- Hamida .


 

 

Siteny Andrianasoloniaiko

Tsy nitsahatra niakatra zanatohatra teo amin’ny fitantanana ny taranja Judo Atoa Andrianasoloniaiko Siteny fa raha mbola filohan’ny Federasiona Malagasy ny taranja judo ny tenany dia efa voafidy ihany ko ho filoha faha-2 na Chairman ny komity mpanantanteraky ny Union Africaine de Judo eo anilan’ny filoha Habib Sissoko dia lany indray ho «Directeur international du Développement du Judo » eo anivon’ny rafitra iraisam-pirenena IJF.  Hatreto aloha, tsy heno ho nametra-pialana amin’ny FMJ na UAJ na amin’ny COM sy amin’ny maha kestora I eo anivon’ny Antenimieram-pirenena Malagasy ny tenany ka mampanontany tena ny maro ihany ny amin’ny mety haharahany ny fisahanana an’izany toerana ambony maro tena mila fampandrosoana avy aminy tsirairay avy izany ?





 Randriamanarivo Harinelina Jean Alex

Raha mbola lany fanindroany hitantana ny federasion’ny fibatana fojamby Malagasy indray Atoa Randriamanarivo Harinelina Jean Alex sady mbola mijanona ho Sekretera Jeneralin’ny Komity Olympika Malagasy dia lany ihany koa ho filoha lefitry ny “Fédération Internationale de Body Building” aty Afrika mandritra ny efatra taona tamin’ny volana mey 2017.  Tahaka ny filohan’ny COM arahany dia mbola tsy heno nametra-pialana tamin’ireo toerana notazonina teo aloha ity ranamana ity na dia efa miakatra amin’ny sehatra avo lenta iraisam-pirenena aza. Mbola mamy ny atsy ary fy ny aroa, hoy isika, ery ambony.


 

 

Béryl Razafindrainiony

 

Lanin’ny AG-n’ny taranja tsipy kanetibe maneran-tany natao tany Tunis tamin’ity taona 2017 ho filohan’ny faritra faha-II aty Afrika Atsinanana misy an’i Comores, Djibouti, Érythrée,Éthiopie, Kenya,

Madagascar, Maurice, Rwanda, Seychelles, Somalie, Soudan duNord, Soudan du Sud, Tanzanie ary i Ougan­da hampian’ny filoha lefiny, Radhakrishansing Rajkoomar, filohan’ny federasion’ny tsipy kanetibe ao Maurice, Atoa  Béryl Razafindrainiony, filohan’ny federasiona Malagasin’ity taranja ity am-perinasa. Nambarany fa hatramin’ny taona 2019 izy no hiandraikitra an’izany fitantanana ny Zone faha-II aty Afrika eo amin’ny taranja tsipy kanetibe izany ka ny hampiroboroboana ny lalao iraisam-pirenena ho an’ireo firenena mpikamba no tena himasoany. Toy ireo namany tetsy ambony dia mbola tsy nandrenesana feo amin’ny mety hametrahany fialana tsy hitantana intsony ny FMP  ny lehilahy fa efa za-dratsy ny nitana andraikitra samihafa ihany koa.

 


 

 

Mamitiana Raveloson

 

Tany amin’ny fanatanterahana ny Lalaon’ny Frankofonia andiany faha-8 natao tany Abidjan Côte d’Ivoire ka nananterahan’ny AFFL na ny Association des Fédérations Francophones de lutte ny AG  tao amin’ny CNO any Cocody Vallon à Abidjan Côte d’Ivoire ny 25 jolay 2017 lasa teo  no nahavoafidy ny filohan’ny federasion’ny taranja tolona Malagasy, Mamitiana Raveloson, ho SG ny AFFL mandritra ny efatra taona. « Ahafahana miady amin’ny hahazoan’ny tolona Malagasy fiofanana isan-karazany ity toerana hiandraiketako ity ary efa azo antoka ny handraisan’ny tolona Malagasy anjara amin’ny lalaon’ny Frankofonia andiany faha-9 hotanterahana any Canada Nouveau Brunswick.


Nanangona sy nandrindra Ntsoavina Evariste

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT