Sport

Kintan’ny Fanatanjahantena Malagasy Bertin Andriamiharinosy na i Tilty Nanan-danja eo amin’ny firenena iray ny fanatanjahantena


  • Sabotsy 17 Febroary 2018

Sady kintan’ny baolina kitra no kintan’ny taranja hanball no efa mpanazatra handball nikoizana sady mpampianatra fanatanjahantena malaza no vahinin’ny kintan’ny fanatanjahantena Malagasy ato amin’ity pejin’ny Tia Tanindrazana ity anio sabotsy 17 febroary 2018 ka hiresaka betsaka ny lanjan’ny fanatanjahantena eo amin’ny fiainanan’ny firenena iray.


 


 

Iray amin’ireo zanaka 4 mirahalahin’ilay kalazan’ny fanipazana fonjamby Malagasy tamin’ny taona 1927-1930, Andriamiharinosy Louis,  toa an’i Jocelyn sy Augustin mbola velona ankehitriny i Bertin Andriamiharinosy na i Tilty mpampianatra fanatanjahantena malaza sady mpikambana mpanorina ny taranja Handball teto Madagasikara ary mpikambana mpanorina ny St Michel Hanball (1962) sy ny Handball tany Toliara (1967). Efa DTN ny taranja Handball tany amin’ny nosy Maorisy (1997-2002) ary efa mpikambana Conseiller executif de la Confédération Africaine Handball nandritra ny 12 taona (1978-1991) koa i Bertin. Niverina nanazatra Handball teto Madagasikara ary nanangana ny klioban’ny TILTY Handball any Toamasina ka mitantana izany miaraka amin’ny zanany, TILLOT, izay nanazatra tao  ihany koa no mbola nanazatra ny ekipan’ny St Michel farany teo ary mpanazatra ny ekipa nasionaly Malagasy vehivavy ihany koa. Samy nankafy an’ity lalao handball ity avokoa ireo zanaka 2 an’i Bertin mianadahy sy ireo zafikeliny, toa an’i Billy Tanga izay milalao eo amin’ny junior Malagasy sy Myra milalao ao amin’ny ekipan’ny HBCA. Tena nilomano sy niaina tao anatin’ny fanatanjahantena tanteraka raha i Bertin Andriamiharinosy ary efa nahasoratra boky 7  mikasika an’izany fanatanjahantena Malagasy izany toy ny : “Madagascar et son football”, “Les Footballeurs Malagaches à la Réunion”, “Football Malagasy de 1951-2009”, “Football Continuité”, “Handball une passion” sns…

 

Fandraisana andraikitra

 

Anisan’ireo sarotiny amin’ny fisian’ny savorovoro miseho lany eo amin’ny fitantanana ny rafitra fanatanjahantena Malagasy maro ankehitriny i Bertin Andriamiharinosy ka mahatonga azy mametra-panontaniana manao hoe : “maninona no tsy sahy mandray andraikitra nomen’ny lalàna azy ny minisitry ny tanora sy fanatanjahantena Malagasy ankehitriny ? Efa ho tapitra ihany ny fotoam-piasany miaraka amin’ny governemanta misy azy nefa aiza ihany ilay politikam-pirenena momba ny fanatanjahantena ? Efa mba nandalo teny amin’ny Antenimieram-pirenena Malagasy ve izy io ?”. Ambarako etoana, hoy i Bertin, fa ny fanatanjahantena dia lohalarana amin’ny fanabeazana fa mitaiza vatana sy mitaiza saina ihany koa. Faharoa manaraka dia ambarako ihany koa fa ny fanatanjahantena dia fampivoarana koa ny firenena eo amin’ny lafiny ara-toekarena sy lafiny fiarahamonina. Porofo maromaro manamarina izany, hoy izy, fa rehefa tratran’ny fahirano nataon’i Etazonia i Cuba dia ny nampiredareda ny toe-tsainy sy ny kolontsainy sy ny art ary ny fanatanjahantena tao aminy no zavatra nataon’i Fidel Castro. Tena nomeny hasina ary nampiany ireo ka lasa fitaovana nampiasainy hiadiana tamin’ny fiainana ka nahomby tokoa.

 

Fanatanjahantena sy politika

 

Fitondram-panjakana maro maneran-tany no efa narovan’ny taranja baolina kitra : ohatra i Brésil tamin’ny 1962 tany Chilie. Nisy fanonganam-panjakana tany Brésil tamin’io taona io nefa noho izy nahazo ny anaram-boninahitra tompondaka eran-tany faha-2 dia rava ilay fanonganam-panjakana nokoninkononina. Marihana fa naratra ilay kalaza Breziliana Pelé tamin’io ka i Amarildo no nisolo toerana azy.Faha-2, tamin’ny “coupe du monde” taona 1970 tany Mexique dia nikorontana ny tao Tunisie noho ny fiakaram-bidin’ny lafarinina ka nahatonga fihetsiketsehana  goavana. Resin’i Tunisie 3-1 anefa i Mexique ka lasa nanohanana an’i Bourgiba indray ilay fihetsiketsehana avy eo.

Eto Madagasikara dia tsisy izay tsy mahalala fa mikorontana ary tsy mazava ny fifidianana natao teo amin’ny baolina kitra teo anivon’ny seksiona sy ny ligy. Maro ny fitarainana voarainy ka nanapakevitra ny FIFA fa : “Aato aloha io fifidianana io raha mifanaraka amin’ny lalàna eto an-toerana ka nilaza ny hijery ny zava-misy eto Madagasikara tsy ho ela izy ireo. Misy lalàna eto dia ny 97-014 tamin’ny 08/08/97 izay manome zo sy adidy ny ministry ny fanatanjahantena Malagasy haka andraikitra amin’ny fandaminanana ny disadisa ara-panatanjahantena maro eto amintsika. Inona no tena handrasan’ny ministera handaminana an’io olan’ny baolina kitra Malagasy io sy ny taranja hafa eto Analamanga toy ny taranja rugby ohatra ? Ampahatsiahivina fotsiny fa amin’io lalàna 97-014 io dia “delegation de pouvoir” ny federasiona rehetra, izany hoe tsy tompon’ny fahefana fa notolorana fahefana ary azo tsoahina aminy  izany.

 

Fifanajana

 

Farany mazava tsara ao amin’ny “Manuel d’Administration Sportive” navoakan’ny CIO tamin’ny alalan’ny “Solidarité Olympique” fa manana “autonomie de gestion” ny CNO sy ny Federation Sportive rehetra mijoro amin’ny firenena iray saingy manaja ny lalàna misy eo amin’ny tany tsirairay avy ihany koa. Mazava amin’izany fa mila mifanaja sy mifanatona ny tompon’andraikitra rehetra ahitana lalan mazava mba hivoaran’ny fanatanjahantena Malagasy. Manana andraikitra amin’izany ny rehetra indrindra ny “mouvement sportif” sy ny COM ka dia miandry isika fa tsy hoe ho diso fanantenanana indray.

 

 

Nanangona sy nandrindra ny lahatsoratra : Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT