Hiverina eo amin’ny taranja tsipy kanetibe indray isika anio eto amin’ity pejin’ny Kintan’ny Fanatanjahantena Malagasy ity, taranja anisan’ny namoaka tompondaka eran-tany Malagasy maromaro ihany.
Anisan’izany Andrianiaina Christian fantatry ny maro amin’ny fiantso azy hoe : Nanou, iray amin’izy efa-dahy nandrombaka ny anaram-boninahitra Tompondaka eran-tanin’ity taranja ity, niaraka tamin-dRazakarisoa Tita, Razafimahatratra Hery ary Rakotondrazafy Lova teto Madagasikara tamin’ny taona 2016 rehefa nandavo an’i Bénin tamin’ny 13-5 teo amin’ny lalao famaranana.
Efa tamin’ny taona 2011 ny tenako no nilalao tsipy kanetibe tao amin’ny klioba iray tao Antsirabe Vakinankaratra tao ary tamin’ny taona 2013 kosa no nanomboka nilalao teto Antananarivo ka ny klioban’ny Jirama no nilalaovana tamin’izany ary nisalotra ny anaram-boninahitra tompondakan’i Madagasikara teo amin’ity taranja ity sokajy olon-telo miaraka tamin’ny taona 2005,2007, 2008 ary 2014. Tompondakan’i Madagasikara olon-droa miaraka lehilahy kosa tamin’ny taona 2008 ary tompondakan ‘i Madagasikara « tête à tête » tamin’ny 2010 sy 2011. Ankoatry ny naha-tompondaka eran-tanin’ny taranja tsipy kanetibe 2016 aho io dia efa tompondaka eran-tany lefitra koa aho tamin’ny 2007 raha niaraka tamin-dry Jacquit sy Mamy ary Carlos sy tamin’ny 2010 raha niaraka tamin-dry Dollys sy Bema ary Tiana. Nanomboka tamin’izany dia efa nilalao tao amin’ny ekipan’ny Paris Club ny tenako ka nivezivezy tany Andafy isan-taona nanomboka ny taona 2009 fa efa nivoaboaka tany La Réunion kosa talohan’izany. I Jacquit no tena mpilalao mifankazatra miaraka amiko hatramin’izay.
SAHY MIATRIKA NY VAHINY
Tena faly dia faly tsy nisy ohatra izany ary tsy hita intsony izay nilazana izany hafalian’ny tena izany tamin’ny nahavoahosotra ho tompondaka eran-tany tamin’ny 2016 iny fa tojo tamin’ny tanjona niriana. Fototry ny fahombiazan’ny ekipa nasionaly nisy ahy tamin’ireny dia ny fifankahalalanay efatra mirahalahy tsara sy ny fifampitokisanay niaraka tamin’ny fanazaran-tena matotra. Tsiaro tsara ho ahy koa ny niatrehana ny « Mondial Pétanque La Marseillaise » tamin’ny taona 2012 ka nahatafakatra anay teo amin’ny lalao famaranana na dia nihoatra ny 4000 azy ireo mpandray anjara tamin’izany. Ny tena nisongadina tamin’ireny nandraisako anjara tamin’ny lalao iraisam-pirenena samihafa ireny sy nahatompondaka eran-tany ahy dia lasa fantatry ny olona maro na teto an-toerana hatramin’ny any ivelany aho ary ny nahazoako fifaneraserana taman’olona ambony bebe kokoa izany. Tsy mba tao anatin’ny eritreritro ny nijanona tany an-dafy izany na dia nisy nikitikitika hitoetra tany Amerika aza aho tamin’ny taona 1997 satria dia te-hijanona amin’ny maha-Malagasy ahy aho indrindra hatramin’ny nanambadiako tamin’ny taona 2006. Azoko ambara fa mahay manao anti-jeux ry zareo any ivelany any rehefa milalao tsipy kanetibe ka izany no hilazako etoana hoantsika izay mivoaka any ivelany any mba ho sahy hamaly an’ireo vahiny ireo na amin’ny fiteny atao na amin’ny fihetsika koa aza. Tena anton’asa ny filalaovana tsipy kanetibe amiko satria handraisako vola ny fivezivezena matetika any ivelany io na dia vitsy aza no afaka mandray vola amin’ny fanaovana an’ity taranja ity eto amintsika. Na izany aza dia manana anton’asa mazava hafa ihany koa aho eto Madagasikara ka ny vadiko no tena miandraikitra ny fitantanana izany rehefa sendra mivoaka any ivelany aho. Raha eo amin’ny resaka filalaovana tsipy kanetibe sy ny fifandraisana amin’ny fiainan-tokatrano dia tsy misy olana mihitsy izany ho ahy satria mankafy an’ity taranja ity ny vady aman-janako ka tsy tapaka mihitsy ry zareo manotrona ahy sy mankahery ahy ara-moraly rehefa miakatra kianja aho. Roa ny zanako 6 sy 11 taona ka ity farany aza dia efa mankafy tanteraka sy milalao koa an’ity taranja tsipy kanetibe ity.
TENA MIROBOROBO
Azoko ambara fa vao mainka niroborobo ity taranja tsipy kanetibe eto Madagasikara nanomboka tamin’ny taona 2010 satria be dia be ny « titre » azontsika Malagasy nanomboka tamin’io taona io ary vao tamin’ity taona 2017 ity indray aza dia mbola voahosotra ho tompondakan’i Afrika ny mpilalao senior Malagasy ary mbola voahosotra ho tompondaka eran-tany ihany koa ireo tanora mpilalao tsipy kanetibentsika.
Ambarako etoana, hoy i Nanou, fa ny fanatanjahantena ilaina eo amin’ny fiainana rehetra ka anisan’izany ny tsipy kanetibe izay ilaina ihany koa amin’ny fitaizam-batana satria marihana fa mahavita 12 ka hatramin’ny 15 km ny mpilalao tsipy kanetibe amin’ny fanaovana “partie” iray. Tsy manelingelina ny fiainanan’ny olona iray ny fanaovana fanatanjahantena fa vao mainka aza manampy ara-pahasalamana sy ara-tsaina ary ara-batana koa, ka hamporisiho hanao fanatanjahantena ny zaza fa mitondra soa ho azy ny fanaovana izany.
MIEZAKA HATRANY
Ka misy ny hafatra mba tiana hampitaina hoan’ireo namana miangaly an’ity taranja ity eto am-pamaranana, hoy ihany i Nanou, dia ny hoe : tohizo ny ezaka efa natao ary ataovy mahitsy ny toe-tsaina ao anatin’izany, aza mivilivily amin’ny zava-dratsy. Misy hafatra koa alefa hoan’ny ministeran’ny fanatanjahantena Malagasy sy ny fitondram-panjakana manontolo amin’ny tokony hijeren’izy ireo manokana amin’ny lafiny manontolo anay atleta Malagasy nanandratra avo ny voninahim-pirenena ka ny fanirianay ankoatra ireo vola fankaherezana nomena anay dia ny mba hampidirana anay ho mpiasam-panjakana araka izay marim-pahaizanay.
Nanangona sy nandrindra ny lahatsoratra Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.