Raharimalala Léa
Nandalo ny dingana rehetra teo amin’ny taranja volley Malagasy
Hifindra taranja kely isika eo amin’ity pejy manokana ato amin’ny gazety Tia Tanindrazana ity anio sabotsy 02 martsa 2019 . Rehefa nianoka in-droa
miantoana nampahafantatra ny kintan’ny taranja basikety Malagasy dia hitsambikina kely eo amin’ny taranja Volley-ball indray.Ny andrarezin’ity taranja ity, Rtoa Raharimalala Léa, no ho vahinintsika anio araka ny resadresaka fohy nifanaovana nivantana taminy.
Miaina ao anatin’ny tontolon’ny fanatanjahantena tanteraka ny fianakaviana Raharimalala Léa sy Manary Hubert na i Vaci vadiny. 44 taona nilomanosana tao amin’ny tontolon’ny taranja volley-ball ny tenany raha 54 niainana tao amin’ny basikety baolina kosa i Vaci. Efa sangany eo amin’ireo taranja ireo ihany koa ny zanany mianadahy ary koa ireo zafikeliny sasantsasany. Efa niara-nilalao tamin-janany vavy izy tao amin’ny ekipa misy azy ireo. Fony mbola zazavavy mpianatra i Léa dia efa niangaly ny taranja volley-ball sy basikety tao amin’ny sekoly Ste Famille nipoiran’ny AST « Amitié Sportive de Tananarive » sy nanao Ossum tao amin’ny Ceg Tsimbazaza. Tao amin’ity Ast ity rahateo no nifankahitan’izy mivady voalohany ary dia niafara tamin’ny fanorenan-tokantrano izany. Tamin’ny taona 1975 kosa izy no nanomboka nisongadina fa sady mpilalao basikety no mpilalao volley tao amin’ny AST. Tamin’ny taona 1978-1988 dia tompondakan’i Madagasikara teo amin’ny taranja volley niaraka tamin’ny Ast hatrany izy. Ny taona 1985 dia nibata ny medaly volamenan’ny Lalaon’ny nosy andiany faha-2. Ankoatra ny volley sy basikety sy ny Beach volley izay tena ankafiziny manokana ary naha tompondakan’i Madagasikara azy tamin’ny taona 2001 dia mpiangaly ny lalao tenisy sy Judo koa i Léa. Sady mbola nanohy nilalao ihany izy no niofo tsikelikely ho mpanazatra fa nahazo ny diplaoma mpanazatra “niveau 1 sy 2” ary efa nahazo ny tompondakan’i Madagasikara niaraka tamin’ny ekipa voafantina Cadet teto Antananarivo amin’ny maha mpanazatra azy. Efa voatendry ho mpanazatra ny ekipa nasionalin’ny volley-ball Malagasy niatrika ny Cjsoi andiany faha-5 tany Maorisy sy ny andiany faha-6 tany Seychelles koa izy ary efa mpanazatra ny sokajy U 23 tamin’ity taranja ity ihany koa. Efa nanatrika “stage” maromaro mikasika an’ity taranja ity ny tenany (1979-1990-1992). Efa nandalovany avokoa ny tao amin’ny ekipan’ny Ast, Btm, Départ Club, Club de Maman, Vbcd ary firenena maromaro no efa nandehanany : La Réunion, Maurice, Seychelles ary Egypte.
Raha ny marina efa nandalovan’i Léa avokoa ny ambaratonga rehetra eo amin’ny tontolon’ny taranja volley-ball fa efa mpilalao ary mbola milalao ao amin’ny sokajy veteran izy, efa mpanazatra sy mpikambana mpanolotsaina tao amin’ny Federasiona (2004-2008), efa “Résponsable tao amin’ny Basket Women (2009 sy 2011), efa “Résponsable de Beach Volley teto Madagasikara, efa mpitantana klioba (namorona ny Vbcd niaraka tamin’i Mamy Rakotomalala) ary ankehitriny dia vao voafidy ho filohan’ny ligin’ny volley-ball eto Analamanga.
Tia Tanindrazana (T.T) : Tsy variana teo amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena ve ianareo mianakavy kely teo amin’ny fiainana ?
Raharimalala Léa (R.L) : Ny Spaoro aminay dia fitaizana fa ny fianarana sy asa aman-draharaha dia tsy atao ambanin-javatra mihitsy araka ny filamatry ny Vbcd manao hoe : “Education-Discipline-Performance”. Porofon’izany nahazo diplaoma ambony avokoa ireo zanakay na izany aza mila taizana foana ny fanaovana spaoro.
T.T : Manao ahoana izany hoe sady mpilalao no mpanazatra izany ?
R.L : Mahay maka ny toerako aho rehefa milalao ary mahay maka ny toerako ihany koa rehefa manazatra.
Eto am-pamaranana dia ambarako fa ilaina eo amin’ny fiainana ny spaoro, hoy Raharimalala Léa, nefa tsy tokony hohadinoina mihitsy ny fianarana ary tsy misy taonany fa afaka manatanjan-tena hatrany ny olona rehetra eo amin’ny fiainany.
Ntsoavina Evariste
Raharimalala Léa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.