Max Randriantefy
“Hajaiko hatramin’ny farany ny maha-Malagasy ahy”
Ny andrarezin’ny tenisy Malagasy, Max Randriantefy rain’ny kalaza eran-tany Dally sy Natacha, no vahinintsika eto amin’ny Kintan’ny Fanatanjahantena Malagasy amin’ity andron’ny 21 aprily 2018 ity.
Mpampianatra fanatanjahantena nivoaka teny amin’ny ny INSEPS (Institut National Supérieur de l’Education Physique et Sportive) teny amin’ny Oniversiten’i Madagasikara tamin’ny taona 1978 i Randriantefy Max. Na dia nampianatra tao amin’ny Inseps Football ka anisan’ny nampianatra an-dry Ahamad, Franck Rajaonarisamba sy Raux Auguste sns... aza. Tsy nety niara-niasa tamin’ny FMF notarihan’Atoa Ahmad mihitsy ny lehilahy na dia nantsoina imbetsaka tamin’izany noho ny fiheverana fa tsy mitondra lavitra ity resaka baolina kitra Malagasy ity. Na dia efa nisahana ny asana mpanazatra nasionaly oniversiteran’ny taranja lomano sy ny Water-polo aza ny tenany dia nisafidy kosa ny nilalao tenisy rehefa nijanona tsy nilalao basikety intsony amin’ny naha-mpilalaon’ny Fandrefiala azy tamin’ny fotoan’androny. 2 taona sy tapany monja niangaliany ny taranja tenisy dia voahosotra ho tompondaka lefitra teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara (toutes catégories) izy tamin’ny taona 1978. Ary rehefa lasa Tale teknika sy Mpanazatra nasionalin’ity taranja ity izy dia nanapakevitra ny tsy hanao fifaninanana intsony fa noheverina fa tsy mety ny antsoina hoe “juge et partie”. Nahazo ny Award du meilleur coach africain de tennis i Max Randriantefy tamin’ny taona 1991.
Nitaiza tanora maro
Nambarany fa izy Max Randriantefy no nitaiza an’ireo tanora kalaza rehetra teto amintsika toa an-dry Augustin Razanakoto, Tony Rakomalala sns… indray nihira tamin’izy ireo (vao teraka i Dally sy Natacha zanany tamin’izany). Izy mirahavavy ireto dia tsy niraika loatra tamin’ny taranja tenisy tany am-boalohany fa ny iray niangaly “danse classique” ary ny zandriny nanao “natation” fa rehefa nahita an-drainy nampianatra katitakely nilalao tenisy izy ireo vao nidongy ny hanao an’izany ihany koa ary dia ireny tafita tamin’ity taranja ity ireny taty aoriana rehefa nanaraka an-tsakany sy an-davany ny filamatry ny fianakaviana Randriantefy manao hoe : “rehefa manao zavatra dia manatanteraka an’izany hatramin’ny farany ka na manao ny tsara na tsy manao mihitsy”. Tamin’ny taona 1992, mba ahafana’i Dally sy Natacha manohy ny “carrieres tennistiques” hatramin’ny dingan’ny matihanina dia nanampakevitra ny nifindra monina tany amin’ny canton du Valais any Suisse ny fianakaviana ka nijanona tany nandritra ny 10 taona naninjitra. Nitantana rafitra tenisy roa niavaka tsar izy tamin’izany dia ny fanofanana mpilalao avo lenta tao amin’ny Fondation François Xavier Bagnoud sy nitantana ny « première cellule de tennis-études en stade d’expérimentation » tany Grône Canton du Valais any SUISSE ». Nanao coach ny ITF na « fédération internationale du tennis » ihany koa izay ary nitondra an’ireo tanora Afrikana mpanao tenisy nitety an’i Eoropa manontolo (Angleterre, Danemark, Hollande, Belgique, Luxembourg sns..). Noho ny tohana nataony dia lasa vehivavy Afrikana mainty hoditra tafiditra tao anatin’ireo mpilalao 50 mendrika indridra eran-tany (WTA) ny zanany Dally Randriantefy ary voakilasy nandritra ny taona maro ho mpilalao vehivavy Afrikana mendirka indrindra teo amin’ny filalaovana tenisy.
Nanaja ny maha-Malagasy
“Na dia nangatahan-dry zareo Suisse ho mpanazatra nasionaliny aza aho, hoy i Max Randriantefy, ka tsy maintsy hizaka ny zom-pirenen’ity firenena ity avy hatrany dia tsy nanaiky izany aho fa te-hijazaka ny zom-pirenena Malagasy hatramin’ny farany ary dia nody taty an-tanindrazana izahay mianakavy na dia nijanona any ivelany any aza i Natacha iray amin’ireo zanako 3 miarahavavy ka mbola manohy ny fampianarany tenisy any Paris -Frantsa rehefa nahazo ny diplaoma ambony indrindra aty Afrika eo amin’ity taranja ity mitovy amin’izay hananan’ilay kalaza vavy Amelie Mauresmo. Izaho dia nanangana ny kliobana tenisy sy tsipy kanetibe “Max Sport Club” eto amin’ny Zone Zital Ankorondrano Antananarivo Madagascar ary i Dally kosa nanangana ny County Club. Marihako, hoy ihany i Max Randriantefy fa ny 80 % n’ireo mpilalao tenisy Malagasy dia taizako avokoa na lahy na vavy : Jacob, Tony, Andry, Rivo, Lina Andriamifidimanana, Voasolo, Rasalma, Hanitra Rabeson, Raharison sns… Ankehitriny dia ray mpiahy ny Federasiona Malagasin’ny Tenisy ny tenako ary manampy azy ireo rehefa misy manahirana ankoatra ny tolo-kevitra homena, hoy izy.
Ny tenisy eto Madagasikara ankehitriny
Nitondra zavatra be loatra ho ahy ny fanatanjahantena amin’ny ankapobeny ary ambaraka etoana fa :” le tennis m’a beaucoup donné et je dois”. Indroa nihodina eran-tany ny tenako noho ny tenisy ka tsy te-hioaka an’I Madagasikara intsony aho ankehitriny fa leo “voyage”.
Ny tenisy Malagasy ankehitriny ny fijeriko azy dia mihen-danja noho ny fomba fitantanana azy. Raha nifandanja tamin’ny tany ivelany rehetra izany tompondakan’i Madagasikara izany taloha, ankehitriny kosa na aty anivon’ny Ranomasimbe Indiana aza mila tsy haharesy intsony.
Ny torohevitro ho an’ireo tanora mpilalao tenisy, amin’ny maha “Expert Polyvalent”ahy izay hany nahavita boky mikasika ny tenisy eto amintsika, dia ny hoe : “ne trichez pas dans votre vie comme dans le sport” Aoka ny tena zava-bitanao no haseho ary manaova fanazaran-tena adin’ny 6 isan’andro raha te-ho filamatra eo amin’ny tenisy.
Nanangona sy nandrindra : Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.