Sport

Kintan’ny Fanatanjahantena Malagasy


  • Sabotsy 14 Aprily 2018

Bako Ratsifandrihamanana Mampivoatra ny saina ny fanaovana fanatanjahantena Andriambavilanitra kalaza teo amin’ny taranja Lomano Malagasy nanomboka tany amin’ny tapany faharoan’ny taona 70 no vahinin’ny kintan’ny Fanatanjahantena vokarin’ny gazety Tia Tanindrazana amin’ity andron’ny 14 aprily 2018 ity.



Nandritra ny fe-potoana 1977-1991 dia nitana ny anaram-boninahitra Tompondakan’i Madagasikara teo amin’ny taranja lomano hatrany (25 spécialités) i  Bako Ratsifandrihamanana ka na teo amin’ny halavirana 25 m na teo amin’ny halavirana 50 m dia nanjaka teo amin’ny 800m nage libre izy, teo amin’ny 400 m nage libre ihany koa, teo amin’ny 200 nage libre, teo amin’ny 100 m nage libre , 100 m dos, 100 m papillon, 300 m dos,  200 m 4 nages, 400m 4 nages ary ny 200m papillon. Marihana moa fa amin’ny halaviran-dalana 25 m dia mihodina indroa ny 100 m fa amin’ny 50 m kosa indray mandeha mihodina ihany. Efa nitana ny « record d’Afrique »  teo amin’ity taranja ity koa ny vehivavy ka nandrombaka ny medaly volamena tamin’izany. Efa nandrombaka in-4 ny medaly volamenan’ny lalaon’ny nosy ihany koa izy ary efa nisalotra ny medaly volamena tany amin’ny « masters  mondial de natation » nokarakarain’ny FINA tany Inde tamin’ny taona 2004. Efa nandray anjara tamin’ny lalao olimpika tamin’ny taona 1980 ny tenany ary nanamontsana zava-bita tsara indrindran’i Madagasikara niisa 3 be izao tamin’izany (100 m nage libre, 100 m papillon ary ny 200 m nage libre).

 

Efa mpitantana

 

Efa tao anatin’ny Comité directeur –n’ny  Federasiona Malagasy ny Taranja Lomano nandritra ny 2 taona i Bako saingy voailika tao tamin’ny farany. Efa mba naniry hatrany ny hitantana an’izany taranja lomano izany foana  ny vehivavy fa tsy tafiditra  mihitsy araka ny filazany. « Miady amin’ny fivoahan’ny statut des sportifs Haut Niveau  mandrakariva ny tenako hatramin’izao, hoy i Bako Rasifandrihamanana, satria any amin’ny firenena ivelany any dia saika manana ny toerany eo anivon’ny tontolon’ny ministeran’ny Spaoro ny atleta sangany eo amin’ny fireneny ka tokony mba ho lohalarana koa ny fikarakarana azy ireo aty amintsika ».

 
Dieny mbola kely

 

« Vao 10 taona monja aho, hoy i Bako, no nanomboka niditra klioba tao amin’ny Esca avy eo nifandimby tao amin’ny ekipan’ny Aka, Solima, St Michel ary tao amin’ny klioban’ny Assum tamin’ny naha-mpianatra ahy teny Ankatso.

Ny reniko Andrimapandry Olga (efa maty) izay sady mpanazatra ahy tamin’ny fotoan’androny no anisan’ny sangany ihany koa teo amin’ny fiangaliana ny « Grand Fond de Matasoa » tamin’ny 1978 tany no notahafiko tamin’ny fahaizana an’ity taranja lomano ity.  Efa anisan’ireo namiratra tanteraka aho tamin’ny fiangaliana an’ireo taranja tany an-tsekoly toy ny taranja handball, basket-ball, ping-pong,  tenisy ary ny Inter-polo. Ny vadiko dia anisan’ireo sangany amin’ny taranja tsipy kanetibe saingy tsy nahaliana ahy tanteraka ity taranja niangaliany ity na izany aza mifanotrona hatrany izahay mivady rehefa  samy miatrika ny fifaninanany avy. 3 mirahalahy ny zanakay ary efa mamiratra teo amin’ny taranja lomano daholo sy efa samy tafiditra tao amin’ny ekipam-pirenena Malagasy avokoa ka ilay faralahy aza dia voafidy anisan’ireo handeha hiofana any Chine atsy ho atsy”.

 

Zava-bita tsara indrindra

 

“Manana Record de Madagascar miisa 3 mbola tsy nisy nahafaty aho, hoy i Bako, hatramin’ny taona 1987 ka mandraka ankehitriny  dia ny eo amin’ny 50 m nage libre, ny 100 m nage libre ary ny 200 m 4 nages. Marihako fa mahatratra 30 eo ho eo ny “spécilités” sokajy lehilahy sy vehivavy amin’ny taranja lomano ary misy koa ny lomano mirindra na ny “natation synchronisée”. Izaho izany tany amin’ny faha-12 taonako tany amin taona 1977 no tena nanana mpifaninana mba nandresy ahy dia i Dody Raharison fa taorian’izay tsy nisy naharesy ahy intsony ka ny fe-potoana vitako sisa no hany hifaninanako”.

Marihana fa efa nahazo ny Chevalier de l’ordre de mérite sportif sy ny officier de l’ordre de mérite sportif i Bako Ratsifandrihamanana  ary efa nahazo  marim-pankasitrahana tamin’ny faha-100 taonan’ny lalao olimpika. Efa voafidy ho “meilleure nageuse  du 20 e siècle ihany koa  ary faha- 77 maneran-tany no filaharana misy azy izay ferana ho 2 ihany ny an’ny firenen-dehibe no kilasiana amin’izany. Manana ny asa nofinidiny anefa ny vehivavy dia ny asa fikarakarana fizahan-tany tao amin’ny Air Madagascar izay nahatonga azy ho mpisotro ronono tao sy ny asana mpampianatra tourisme eny Ankatso  ny eny amin’ny Institut Privé ankehitriny.

 
Tontolo samy hafa

 

“Tsy tongatonga ho azy izany maha-voalohany eran-tany an’ireo mpilomano sangany fantatsika ankehitriny, hoy i Bako R, fa mifandraika amin’ny toekarena hananan’ny tany tsirairay io. Tsy hitovy mihitsy ny fomba fiainan’ny atleta any amin’ny firenena matanjaka sy aty amin’ny firenena an-dalam-pandrosoana, ny rafitra federaly iainana, ny fombam-piainanana ankapobeny mihitsy  (any ohatra mandray volabe mihitsy hatrany amin’ny 600.000 euros any  ny atleta iray) ka tsy mahagaga raha mivandravandra be ny elanelana misy sady eo ihany koa ny toe-batan-dry zareo ranjanana be aok’izany. Mba mieritreritra ny hamorona ekipana mpilomano ihany aho any aoriana any rehefa hanana dobo filomanosana araka ny nofinofiko. Marihako etoana fa nisy fotoana nianjerako ka voatery nandidiana ahy ary tsy mahazo mitotontotona intsony aho ka tsy mba nahasarika ahy mihitsy ny nanao Triathlon. Tany maro no efa hitako tamin’ny nanaovako lomano :  Moscou, Grande Bretagne, Yougoslavie, Italie, Kenya, Egypte, Mozambique, Maurice, Dubai, La Réunion, Uruguay sns…

 

Lomano Malagasy ankehitriny

 

Ny fijeriko ny lomano Malagasy ankehitriny dia be dia be ny “irrégularité dans  les résultats techniques” izay manaratsy endrika  ny lomano eto Madagasikara sy manasazy an’ireo mpilomano ka ny hanarenana an’izany dia tokony ho raisina ohatra ny fepetra fampiasana ny chrono électronique, ny fanomezana fampiofanana  hatrany ny “officiels techniques”, ny fampiharana ny fangaraharahana eo amin’ny fitantanana ny federasiona FMN, ny fandaminana teknika hifanaraka amin’ny tovotao iraisam-pirenena, ny fametrahana camera video sahala ny any amin’ny iraisam-pirenena, ny fametrahana Juge d’arrivée miisa 9, ny fametrahana matihanina eo amin’ny juge de nage sy ny juge de virage ary ny fanendrena ny officielle technique fara-fahakeliny mba efa mpilomano teo aloha”.

 

Mpandimby

 

Ny  hafatra homeko an’ireo zandry zanaka mpandimby amin’ity taranja ity izany, hoy i Bako, dia ny hoe : Manàna safidy eo amin’ny fiainana  ka na  hanao lomano niveau  I na niveau II na niveau III ianao na hanao zavatra hafa fa aza manao mamiko ny atsy fy ny aroa ka aza hampiarahana amin’ny zavatra tsy miaraka aminy ny lomano atao. Haveriko eto izay efa noteneniko tamin’ny taona 2000 hoe : aza hampianarina any amin’ny fianarana mianatra manomboka amin’ny 7 maraina ka hatramin’ny 6 hariva ny zaza satria tsy miraka ny fanazarantena kely amin’ny andro takariva syny fidirana hianatra vao maraim-be. Ny fanatanjahantena amiko efa voaporofo fa misy hifandraisany amin’ny fahasalamana, ny lomano ohatra dia mandrindra izay mitaiza aretina.  Efa voaporofo koa fa mivoatra ny saina rehefa manao fanatanjahantena, mandamina vavony ihany koa izy ary mampitombo fifandraisana aman’olona eo amin’ny fiainana. Azo heritreretina hametrahana fifandraisana ara-politika koa atsy ho atsy ny fanatanjahantena.

 

Nanangona sy nandrindra i Ntsoavina Evariste

 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT