Sport

Kintan’ny Fanatanjahantena Malagasy


  • Zoma 01 Desambra 2017

Kira Michel na i Me Kira Olomanga tsy navela nilalao tany ivelany


Kira Michel na fantatry ny maro amin’ny hoe Me Kira no vahinintsika ato anatin’ny kintan’ny fanatanjahantena Malagasy amin’ity fiandohan’ny volana desambra 2017 ity. Ny taranja baolina kitra no tena nampalaza azy ary efa voarakitra sahady ho lovan’ny taranaka fara aman-dimby na dia mbola velona aza izy ny nampitondrana ny kianja filalavam-baolina Andaboly Toliara ho kianja “Me Kira” izay reharehany sy ny fianakaviany tanteraka. Na izany aza, nisy zavatra nandiso fanantenana azy tanteraka teo amin’ny nianteherany tamin’ity sehatry ny fanatanjahantena Malagasy ity.

 

67 taona i Kira Michel ankehitriny manambady ara-dalàna ary manan-janaka vavy sy lahy izay tena nampirisihany hilofo tamin’ny fianarana fa tsy notazainy ara-panatajahantena loatra handimby azy noho izy “victime” tamin’ny fianteherana tamin’ny fanatanjahantena. Tany Toliara no nahaterahany sy nahalehibe azy sy nanaperany ny fahatanorany niantsoroka ny asam-pampianarana (mpampianatry ny Epp) sy ny  nifandraika tamin’izany (mpiasa birao sy surveillant tao amin’ny Lycée) ary ny resaka fanatanjahantena (niasa tao amin’ny direction du sport tany Toliara) taty aoriana ka nahatongavany amin’ny fisotroan-dronono ankehitriny. Eto Antananarivo kosa izy no mitoetra ankehitriny noho ny fampianaran-janaka, araka ny filazany. Fony mbola tanora mpianatra i Kira Michel dia efa hita ho namiratra teo amin’ny sehatry ny fanatanjahantena nefa na dia havanana tamin’ny taranja volley-ball sy hand-ball ary ny basikety sy atletisma ary ny lomano aza izy dia ny baolina kitra no tena nampalaza azy tanteraka. Vao 16 taona ny lehilahy (taona 1966) dia efa “pré-selectionné” teo amin’ny sehatry ny baolina kitra tany Toliara ary teo amin’ny faha-18 taonany dia efa voaantso tao amin’ny ekipam-pirenena  Malagasy. Tsy andriny ery izay niakarana ny kianjan’i Mahamasina tamin’izany fa tsy mba natahotahotra tahaka ny mpilalao lazaina fa soavaly vaon’i Mahamasina izany izy. Tao amin’ny klioban’ny fokontany tao Besakoa Toliara no tena niantombohany nisôma laboly ara-dalàna. Nisy fotoana  efa nikitihan’ny ekipan’ny As PTT Toliara azy ihany  hilalao tao aminy saingy tsy nanaiky ireo raiamandreny tao an-tanàna fa mila manandratra ny fokontany misy azy ireo mpamaraky nefa rehefa nanaiky ny hiantoka ny fianarany tao amin’ny Sacré Coeur-n’i Toliara ny Poste dia nilalao tao amin’ity ekipa ity taom-pilalaovana iray izy. Hitan’ny ekipan’i La Juste niova ho Corps Enseignant nitambaran’ny mpanabe sy ny mpianatra taty aoriana ka tao no tena nampalaza azy ary voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara in-telo niaraka tamin’ity ekipa ity (1974, 1976, 1978). Vao tamin’io taona 1968 voalaza tery ambony io dia efa nivoaka tany ivelan’i Madagasikara niaraka tamin’ny ekipa nasionaly ary efa betsaka fa tsy tsaroany intsony ny Firenena Afrikanina efa nandehanany nilalaovana baolina. Tamin’io taona 1968 io ka hatramin’ny taona 1983 nialan’ny mpanazatra Alemana Peter Schnittger no tao amin’ny ekipam-pirenena Malagasy amin’ny baolina kitra izay niofo ho Club M taty aoriana i Me Kira ary voafidy ho kapiteny tao anatin’ny 5 taona farany nilalaovany tao. Efa niaraka taminy izany Fandrata sy Babazy i Bevoavy izany, ry Rasoanaivo sy René kely ary ry Kaka sy Dezy Ramasy ary René Tale, izany Mélan sy Augustin Baovola ary  izany Frédéric izany sns…

 

37 000 fmg

 

Tena anisan’ny nampalaza anay mpilalao fahiny, araka ny filazan’ny olona, dia noho izahay nilalao tamin’ny fo tsy mba nieritreritra zavatra hafa ary tena tsy tantinay izany resy an-kianja izany. Tamin’ny andronay dia tsy nisy afa-tsy 37.500 fmg isan-kerinandro  ny vola homena anay rehefa antsoina hanao “regroupement” ao amin’ny ekipam-pirenen’ny baolina kitra izahay ary izany “prime “ izany dia zara raha nisy. Tsy nampihemotra anay izany fa faly sy ravo izahay rehefa mahita ny lafivalon’ny nosy tonga ao Mahamasina hijery anay sy ny “Phase de jeux” asehonay. Tsy nisy nandalo “Ecole de foot” izany izahay fa tena karazana “don” aminay ny filalaovana baolina. Tsy taranaka mpilalao baolina koa i Me Kira fa mpamboly ny rainy nefa mba nalaza kely ihany koa i Tovonkira Ferdinand sy i Tsilahire Ernest dit Belokanga rahalahiny.

DISO FANANTENANA

Ny tena nandiso fanantenana ahy tanteraka ka nahalatsa-dranomaso ahy, hoy i Kira Michel, ary nahatonga ahy tsy hampirisi-janaka hilofo amin’ny fanatanjahantena intsony ary saika nivarinako lavo tamin’ny fisotroana zava-pisotro misy alikaola dia ny nisakanana ahy tsy hivoaka an’i Madagasikara raha nisy Coopérant efa nitondra ahy hilalao any Frantsa ka nanariako fianarana tsy nandalo sivana noho ny fiaikeny ny fahaizako baolina ary efa tao anaty sous-douane niaraka tamin’i Kaka namako aho no nantsoina indray fa tsy mahazo mivoaka any ivelany izany fa olomangam-pirenena nefa tsy olomangam-pirenena ve ny namana Augustin Baovola navela nandeha nilalao tany La Réunion enim-bolana taorian’izany ? Hatramin’izao anefa dia tsy hitako akory izay mba nataon’ny fanjakana nifandimby tamin’ny olomangam-pirenena. Tsy mba nisy “reconnaissance” natao tamiko velively na fijerena ny “ancienneté” anay nilofo tamin’io fanatanjahantena Malagasy io. Marihako fa voatendry ho “conseiller special” an’Atoa Ahamad filohan’ny FMF aho nanomboka ny taona 2005 ary tsy mbola nisy didy nanafoana izany hatramin’izao nefa tsy nandraisako vola na dia ariary aza, hoy ny fitenenana, izany asa nataoko izany.

Ny mba tombony azoko tamin’ny laza ara-panatanjahantena dia lasa fantatry ny olona manerana an’i Madagasikara aho. Tena nahafantarana ahy ilay tifitra “coup franc banane” izay nolazaina moa fa i Platini mpilalao Frantsay taty aorianay elabe vao nilalao no tompon’izany “coup franc” nalaza izany.

Ny hafatra homeko an’ireo zandry zanaka aty aoriana dia ny hoe : aza manaraka ny nataonay fa taloha tsy nahavelona ny fanaovana fanatanjahantena teto Madagasikara fa ankehitriny kosa efa misy ny “Sport Etude” sady mianatra no manao fanatanjahantena ary efa mivoatra ny teknolojia ka azo hianteherana tsara. Hampirisihana ianareo hilofo amin’ny fandehanana manao fanatanjahantena avy ivelany fa any io zavatra io no tena mahavelona.  

 

 

Nanangona sy nandrindra ny lahatsoratra  Ntsoavina Evariste

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT