Sport

Kintana akademia Hampianatra ho matihanin’ny baolina kitra


  • Alakamisy 22 Oktobra 2020

Taorian’izay fiatoana lavabe vokatry ny valanaretina Coronavirus izay dia efa mamerina ny fampiofanany ankehitriny ny avy eo anivon’ny sekoly momba ny baolina kitra Kintana academia, hoy ny fampitam-baovao avy amin’izy ireo.

 

 

 

Mandritry ny herinandro moa no hanatanterahana izay fampiofanana izay eny Ambohimanga rova, izay ivontoerana misy azy ireo rahateo. Ho ampiainana sy hampianarina ny maha matihanin’ny baolina kitra sahady ireo katita kely 13 ka hatramin’ny 19 taona, hoy ireo tomponandraikitra, ka ny mpanazatra Jeannot Paul Razafindralambo na ny Maitre Popol izay mpampianatra ankatoavin’ny FIFA sy CAF ary manana ny diplaoma licence A avy amin’ny federasionina afrikanina no mitarika izay fanofanana izay. Maro amin’ireo tanorantsika, hoy izy ireo, ny maniry ny handimby ireo Barea ary anton’izao fitiliana taninketsa izao. Ireo izay tsy nahatratra ny andiany voalohany dia asaina hisoratra anarana indray ny 26 ka hatramin’ny 30 oktobra, hoy hatrany ny tompon’andraikitra avy eo anivon’ity sekoly tarihin’i Lova Ramisamanana ity.

 J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT