Sport

Kick Tompondakan’i Maorisy tamin’ny K1 i Andry


  • Talata 15 Novambra 2011

Nahazoana vaovao tsara ilay mpikatroka mpila ravinahitra atsy amin’ny nosy Maorisy, Raheriniaina Iandrianina.

 Voahosotra ho tompondakan’i Maorisy amin’ny kick-boxing sokajy K1 mantsy ny lehilahy tamin’ny sokajy -63,5kg rehefa nandavo an’ilay Maorisianina, Howard Alexenar, tamin’ny famaranana ny 30 oktobra teo. Vao tamin’ny fiandohan’ity taona ity i Andry no nanomboka niangaly ny taranja fa tena nampiaiky ny mpampianatra ny klioba misy azy ao amin’ny “Ecole de kick boxing” ao Roche Bois ny fahavitrihany. Ny Maitre Zara izay teratany Malagasy no mitantana io klioba io. Efa nisy koa ny vokatra hafa nosaloran’i Andry teo aloha teo. Nomarahin’ny Me Zara fa Malagasy efatra izao no ao amin’io kliobany io ary mbola maro ireo te hanao fa miandry fandaminana kely fotsiny. Mahatratra 150 mantsy ireo Malagasy miasa ao amin’ilay orinasa maorisianina PAD & Co ary na ny orinasa aza dia nankasitraka tanteraka izao vokatra izao ary naranty sy haseho ny daholobe ao amin’ny toeram-piasana mihitsy ny sary pika sy sary mihetsika mirakitra ny ady famaranana natrehin’i Andry. Noho io vokatra io dia eo an-dalam-pamolavolana fifanaraham-piaraha-miasa amin’ny orinasa PAD & Co ny Me Zara mikasika ny fampiroboroboana ny taranja izay heverina fa hisy vokany tsara hipaka hatraty amin’ny kick boxing malagasy.

Hery Rabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT