Sport

Kick - Seksion’Antananarivo Renivohitra Nanjakazaka ireo mpikatroky ny AFKM sy 3FB


  • Talata 12 Mey 2015

Mpikatroka nahatratra 124 no niakatra ringa niatrika ny fiadiana ny tompondakan’ny seksion’Antananarivo Renivohitra izay natao ny alahady teo teny amin’ny kianja mitafon’Ankatso. Ady niisa 78 no tontosa teny nandritra io tontolo andro io nahitana ny fifaninanana tamin’ny Low Kick sy Full Contact.

 

 Niaka-tsehatra teny avokoa ny sokajy “cadet”, “junior” ary “senior” tamin’ny kilasy A, B ary C. Nanjakan’ireo mpikatroka avy amin’ny AFKM ny fifaninanana satria anaramboninahitra 11 no azon’io klioba io. Nisongadina nanaraka azy ny 3FB izay nahatafavoaka tompondaka 10 ary 6 kosa ho an’ny SISC. Mbola nisy ady 16 tsy vita moa ny faran’ny herinandro teo ka ny faran’ny herinandro izao indray no hamitana izany. Ny fiadiana ny tompondakan’Analamanga indray ny fifaninanana manaraka miandry ireo tompondaka isan-tsokajiny teto Antananarivo Renivohitra.

Rasanda Serge

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT