Sport

Kick – La Réunion Nandresy Frantsay i Aline


  • Talata 28 Jolay 2015

Mifanesisesy ny fiatrehana fifaninanana iraisam-pirenena ho an’ireo mpikatroka kick boxing malagasy. Taorian’ny fahombiazana azo tamin’ny « Coupe des Nations »

 

 tany Maorisy herinandro lasa dia nisy malagasy nisongadina indray tamin’ny fiatrehana ny « Gala International » izay natao ny faran’ny herinandro teo tany Saint André tany la Réunion. Niaro voninahi-pirenena ary tsy nitsanga-menatra tamin’izany Ramanandraibe Aline Melanie izay nandresy an’isa raha nifanandrina tamin’ilay taearany frantsay Claire Abbaye. Tsiahivina fa i Aline dia efa nisalotra ny anaram-boninahitra tompon-dakan’i Afrika tamin’ny sokajy -63kg vehivavy.

Rasanda Serge


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT